Inona no misakana anao tsy hi-blaogy?

Published on 13:09, 02/12,2007

Isika namana rehetra eto amin'ny serasera dia afaka mampiasa ny blaogy.org hametrahantsika ireo zavatra manokana izay tsy tafiditra eto amin'ny forum, na koa tiana hotehirizina maharitra... (satria ny eto amin'ny forum dia voafafa rehefa tsy misy mamaly mandritra ny 2 volana)

Ny blaogy.org ohatra dia azonao ametrahana video (Jereo eto), azonao ametrahana sary maro (Jereo eto), azonao ametrahana izay fiainanao andavanandro tianao hotehirizina any (Jereo eto), azonao asiana ny tena mombamomba anao manokana tena serieux (Jereo eto) kanefa azonao ametrahana izay izay fialambolinao (Jereo eto). Azo asiana resaka lava be tsy voafetra... ara-pilozofika  (Jereo eto) dia azonao tsy asiana na inona na inona koa (Jereo eto)

Inona no misakana anao tsy hanao blaogy?

Soraty ao daholo na ny faniriana sesehena, na rediredy politika manohana sy manohitra an-dRavalo, tononkalo, sns

Izay tsy zakan'ny forum.

Raha mazoto ianao ary dia mandehana ao amin'ny

http://blaogy.org

Misaotra

Dika mitovy  


Test youtube

Published on 00:49, 02/10,2007

[youtube d7QUspx5lC4]


Hira anisan'ny tiako indrindra

Published on 00:50, 02/04,2007

Ity hira eto ambany ity no hira isan'ny tiako indrindra ao amin'ny Radiovazogasy. Rehefa ao aho dia miezaka mihaino azy foana. Sendra hitako androany ny video dia hapetrako eto fa tena mahafaly ahy mihitsy ilay mihaino azy.

 


TITI_MILA ANAO
Caricato da rawestern


Raha artista ianao :-)

Published on 19:39, 02/01,2007

Raha toa ka artista ianao, mpihira, mpikalo, mpivetso, sy ny sisa... dia misy toerana iray ho anao izay vao nisokatra androany... Dia any isika mihaona :-)

http://artiste-malgache.com 


Wééé Tafiditra ao anaty fandaharampotoana ny blaogy.com

Published on 16:31, 01/31,2007

Ankoatry ny asa ato ampiasana sy ny hafa dia tafiditra ao anatin'ny zavatra tokony hokitihana amin'io volana febroary io koa ny blaogy.com. Ny fanapahan-kevitra noraisin'ny mpidinika tamin'izany (izaho sy ny feon'ny fieritreretako) dia ny hanohizana sy hanatsarana ny fikarakarana ny blaogy.com amin'izao endriny izao. 

 (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»