Nahoana no misy blaogy.org?

Published on 14:42, 01/25,2007

Aleo hanazavako azy mihitsy :-p
 (tohiny)


Miangatra ihany ilay solde

Published on 16:10, 01/15,2007

Tahaka ny firenena maro aty Eoropa dia mba manao soldes koa ny eto Italia. Tsy dia mafàna be tahaka ny any Frantsa ohatra ny solde aty satria hita hoe mahantra (na koa angamba matity) ihany ny Italiana amin'ny ankapobeny ka zara raha misy tafidina 30% ny vidin'entana. Ny mba tafidina 50% dia izay zavatra tena tsy hovidianao mihitsy. Ary ankoatr'izany dia misy tena fetsy ratsy mihitsy ny mpivarotra satria misy ireo efa nanao fihenambidy taloha (mbola tsy fotoanan'ny soldes), ka nandritra ny solde dia ilay vidiny taloha be no nampiasainy sy nampiharany ny fihenam-bidy fa tsy ilay vidiny efa nihena hitan'ny olona.

Izany leoko ihany, fa ny tena mahakirizy dia zavatra natao ho an'ny vehivavy no tena betsaka nihem-bidy. Tsy ampy safidy mihitsy ny lehilahy. Hatramin'ny fitafy ka hatramin'ny kojakoja antokatrano sns. Dia rehefa sendra mba mijery soldes dia mpitondra entana sisa :-)

Ny fampiononana fotsiny ho an'ny lehilahy dia hoe afaka mividy zavatra tsy ao anatin'ny soldes izany izy. 


Olan'ny misabaka :-)

Published on 00:21, 01/12,2007

Eny e, nisy olana vitsivitsy teo teto amin'ny blaogy (mety mbola misy voatahiry any ho any). Ny antony dia misabaka eo anelanelan'ny Voatra (na Tao, na Version) roa samihafa isika. Efa ampidirina tsikelikely ny zava-baovao ami'ny version vaovao. Somary manahirana ihany kanefa mila hatsaraina hatrany.

Ezahina ny tsy hisian'ny olana be loatra... fa raha vao misy olana dia lazao ihany. 


Tana Miblaogy 3.0

Published on 15:23, 12/06,2006

Ity dia fanasana ny mpi-blaogy rehetra ao Antananarivo mandritra ny faran'ny taona 2007. Ny hevitra rehetra dia azo aroso ao amin'ity takelaka ity. Jereo eto.


Bye bye, France2

Published on 10:21, 12/05,2006

france 2Depuis quelques jours, ils ont affiché en bas de l'écran que la chaine de France2 ne sera plus diffusée gratuitement sur UHF à Rome. Pour pouvoir capter France2, à partir de 15 décembre 2006, il faut disposer d'un décodeur. C'est donc, pour nous, la fin d'une aventure heureuse avec France2 :-). D'après ce que j'ai entendu, cette chaine publique française a été diffusée ici en Italie depuis plus de 20 ans. C'était, en fait, la seule chaine française que nous pouvons voir sans aucun abonnement... et c'est le seul (ou presque) canal que nous regardons à la maison.
C'est étrange mais nous n'aimons pas trop les chaines italiennes. Trop de vulgarités... trop de belles femmes... trop de paroles... volume trop élevé... trop de pub... trop de trop. :-)
Je prévois déjà une résolution forcée pour le nouvel an... Une année sans télé.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»