Adolantsento

Published on 00:18, 11/23,2006

Misy namako anakiray izay mikarakara mafy fananganana Gazety ho an'ny tanora mpianatra sy mpampianatra any Toliara. Miainga tanteraka amin'izay kely ananany izy kanefa hitako fa matotra ny ezaka. Araka ny nolazainy ahy androany ary dia amin'ny voalohandohan'ny desambra io no hamoahana ny gazety.
 (tohiny)


Vita ny player vaovao fihainoana ny Radiovazogasy

Published on 17:17, 10/24,2006

Vita indray izany izao ny player izay fihainoana ny Radiovazogasy.com. Tsy dia mahay flash loatra aho (tsy mahay mihitsy) fa dia izay hita no natambatambatra tao.

Azon'ny rehetra apetraka amin'ny site-ny ny player. Apetrako eto ambany eto dia jereo ny sources


SAMGraph: Mampiseho antsary ny isan'ny mpihaino

Published on 00:44, 10/21,2006

Fitaovana iray namboarina izay mampiseho ny isan'ny mpihaino amin'ny Radio mampiasa SAM.

Jereo eto: SAMgraph 

Toa izao ohatra ny mpihaino ao amin'ny Radiovazogasy

 


Karabot: fampiharana ny NET_Smartirc

Published on 18:11, 10/19,2006

Nivoaka androany ny release voalohan'ny Karabot... "Beta release" ary efa manomboka sahady manova azy aho.
Ny Karabot dia robot izay miasa sy mamaly ao anatin'ny chat IRC anakiray. Efa nikirakira eggdrop aho vao nanapakevitra ny hanoratra an'io robot io amin'ny alalan'ny PHP (mampiasa cli). Net_SmartIRC izay ao anatin'ny PEAR no nampiasaina hifandray amin'ny serveur.
Matanjaka tsara ilay bot ary tsy atahorana aloha hatramin'izao. Efa mipetraka ao amin'ny karajia.org mantsy izy io ary BotLives01 no anarany ao. Ny zavatra ataony ao amin'ny karajia.org amin'izao fotoana izao dia
- Mamaly ny baiko madinika mahazatra ny ankizy mpikarajia (Fun)
- Mamaly ny baiko momba ny radiovazogasy. Izany hoe mampiseho ny hira mandeha, mitady hira, mandahatra hira ary mametraka hafatra.
- Misy koa ny baiko hafa izay ataon'ny administrateurs.
Ny mbola hatao
Hampidirana baiko vitsivitsy:
- Mamaky hafatra
- Mamaky forum
- Mamaky gazety RSS
- Mandefa email
- ...


Serasera: Fito taona izay

Published on 11:34, 10/12,2006

Tamin'ny volana oktobra 1999 no niforonan'ny Serasera. Feno fito Taona izy izany izao. Te hijery aho hoe inona marina no tena fivoarana? Ny mpikambana no tsy mitsaha-mitombo. Ny anarana hoe serasera angamba efa mba malaza ihany. Ny fitaovana koa nitombo. Taloha dia nofinofy izany hampiasa serveur dedié izany... amin'izao mampiasa Dédiés roa. Ny vola mivoaka koa mitombo :-) (oviana vao hisy ny miditra?). Ny tanjona tsy miova... hampifandray ny Malagasy maimaim-poana. Mijanona ho maimaim-poana hatrany aloha satria tsy misy safidy hafa. Mbola tsy vitan'ny Malagasy ilay mandoa vola amin'ny services eto amin'ny internet.
Mety hahaliana angamba ity tabilao eto ambany ity izay misy ireo hafatra rehetra nandeha tao amin'ny lisitra.serasera.org izay takelaka tranainy indrindra eto amin'ny serasera.org. Nojereko tao fa sarotra be mihitsy ny roa volana nanombohana azy.

 (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»