Blog upgrade

Published on 18:37, 10/11,2006

Fanintelony izao tao anatin'ny 2 andro no nanaovako fanandramana nampakatra ny milina ao anatin'ity blaogy ity ho 1.1, fa misy olana kely foana.

Ny olana farany izay mbola tsy voavaha androany dia ny resaka lahatsoratra miafina. Rehefa ampiasaina amin'ny 1.1 dia lasa tsy mety miafina ny lahatsoratra taloha. Mazava ho azy fa tsy hifindra 1.1 mihitsy aho raha tsy voavaha ireo olana ireo.

Mety hiditra ho anisan'ny developpers ao amin'ny lifetype ihany koa aho raha misy fotoana fa efa mba misy kely ihany ny bugreports nalefako no nampidirina ao amin'ny core-n'ny 1.2

Hapetraka eto ihany rehefa mampiasa tanteraka ny 1.1 ny blaogy.com 


Le monde est sourd: Efata!!!

Published on 00:35, 09/11,2006

Tao anaty documentaire iray sendra hitako efa ela dia nisy olona moana sy marenina izay nanontaniana raha toa ka te ho sitrana, handre toa ny olona rehetra. Fa nandà izy niteny hoe "Sao dia diso fanantenana amin'izay zavatra alaiko sary antsaina aho". Raha toa mandre tokoa izy dia ho hafa tanteraka amin'izay rindra noheveriny no ho reny. Dia naleony nipetraka tao anatin'ny fahanginana fandreny.
 (tohiny)


Serasera.org tafiditry ny jiolahin-kala :-)

Published on 18:38, 09/07,2006

Tratran'ny hackers ny serasera.org androany. Tava mainty no nitranga tao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org nandritra ny minitra vitsivitsy tamin'ny 11:07 - 11:15 maraina. Trou de securité izay hita tao amin'ny module anakiray amin'ny Joomla tao amin'ny site iray tato amin'ny serasera.org ilay izy (module pollxt izay navoakan'ny http://www.joomlaxt.com izay hitako hacked koa androany). Efa nanao antso ihany ry zalahy tao kanefa na ny site-ny aza io hacked. Ny nahatonga an'ilay defaced indray aloha dia fanadinoana tamin'ny permissions tao amin'ny repertoire iray tao amin'ny namana... na dia hacked asa ny site dia tokony tsy hisy olana foana raha mirindra araka ny tokony ho izy ny permissions.

Na izany aza, dia azo deraina ihany ny hackers matihanina satria tsy manimba na inona na inona izy fa mampiseho fotsiny hoe afaka manimba. Asehony ilay vulnerability ao amin'ny efitrao... fa tsy mangalatra na manimba :-)

Fotoana maromaro no lany namakiana ny logs vao hita hoe taiza ry zalahy no niditra ary inona no nampiasainy. Inoana fa tsy hisy olana intsony. 


Fihaonan'ny serasera teto Roma

Published on 14:29, 08/09,2006

Tontosa soa amantsara ny fihaonan’ny namana serasera teto Roma ny 4-5-6 aogositra 2006 teo. Nahafinaritra tanteraka ny fiarahana… tsy nampoizina loatra ho toa izany raha eritreretina hoe olona tsy mifankahalala afatsy amin’ny alalan’ny internet (forum, chat, hafatra sns… na dia efa nisy ihany ny fifampizaràna sary tetsy sy teroa. Be dia be, noho izany, ny surprises… fa surprises nahafinaritra daholo.

 (tohiny)


Ed eccoci di nuovo

Published on 12:41, 08/01,2006

Nanandrana nanao ny fomban'ny touristes tonga teto Rome izahay nony niverina androany. Nony niala teny amin'ny avion teny Ciampino dia niaraka tamin'ireo touristes rainiboto maromaro satria tany Allemagne tsinona no niala. Dia noezahinay tsy notsaroana mihitsy hoe efa teto Rome izahay no nipetraka fa toy ny hoe tanana vaovao hanaovana vacances indray koa Rome. Dia inona no zavatra tsapa?
 (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»