Ny blaogy.com sy ny sessions

Published on 02:06, 04/22,2006

Efa nolazaiko teto ihany ho an'izay manoratra lavalava eto amin'ny blaogy dia tsaratsara kokoa mampiasa fitaovana hafa aloha (ohatra hoe winword) dia avy eo copier-coller fotsiny sisa. Na izany aza dia efa novaina tsikelikely ihany ireto zavatra ireto.

- Ny halavan'ny session teo dia par defaut (24 mins) ka nampiakariko ho 120 mins. Rehefa mivoaka izany dia tokony manao logout foana satria raha tsy izany tsy secure

- Rehefa miditra admin.php (na dia efa nampiditra solonanarana sns aza) dia asainy mampiditra indray RAHA TOA KA tsy mbola tafiditra tao amin'ny ilay blaogy manokana (izany hoe nanindry ny anaran'ny blaogy). Tsy fantany tsinona ny blaogyID dia tsy voatahiry ao amin'ny session. Raha toa ka efa nanindry ny anaran'ny blaogy dia voatahiry amin'izay iny blaogy iny ka raha miverina amin'ny admin.php dia tsy anontaniany intsony.Amin'izao dia tsy manana blaogy afatsy anakiray isan'olona isika ka angamba azo atao ny manao par defaut hoe tonga dia tehiriziny ilay blaogID raha vao tafiditra.

*** UPDATE ***

Naverina ho 30 minitra ihany ilay fetran'ny session fa toa misy risika be.
Ny tsirairay fotsiny no iangaviana hitady hevitra hoe ahoana no hatao. 


Paka ny andro

Published on 22:50, 04/15,2006

Paka ny andro androany. Fety lehibe indrindra ho an'ny kristianina. Tena kristianina ve aho? Tsy ny fandehanana any am-piangonana fotsiny, sy ny fiderana amin'ny vava fotsiny na ny asa fanasoavana sy ny fifadian-kanina tamin'ny karemy fotsiny. Fa ny fo sy fanahy iray manontolo no maha kristianina ny kristianina. Nandritra ny karemy dia lasa resa-be ny hoe nareo mifady hanina sy tsy mihinan-kena... fa ny anay ny toetra mihitsy no ovaina. Dia hoy aho hoe, raha izay no mba kely vitako aloha amin'izao fotoana izao? Tsy hoe tsy niezaka aho, fa misy zavatra mivaingana izay mora kokoa ny manao azy dia atao aloha, alohan'ny hanatratrarana dingana lehibebe kokoa. Fa raha ny fifehezan-tena kely isankarazany aza tsy vita dia afaka hihambo hoe nanova toetra mihitsy ve? Sao dia fialàna bala fotsiny ilay hoe tsy mifady hanina fa ny fo no amboarina? Sao dia voa double, sady tsy nifady hanina (tsy nanao ny ezaka mora indrindra) no tsy nanova fo (tsy nanao ny ezaka lehibe kokoa)? Raha nahavita azy rehetra moa, ny vatana sy ny fanahy, dia "meno male".

Tonga ity ny Paka, tsy voasakan'ny tsy nanaovana ezaka nandritra ny karemy... fa mbola tonga foana. Hitondra fifaliana sy fiadanana. Hoy ny fiteny matetika rehefa sendra fijaliana hoe "Tsy misy zoma masina tsy misy Paka" izany hoe aorian'ny fijaliana dia tsy maintsy hisy masoandro... nefa koa na dia tsy mijaly aza ianao mandritra ny zoma masina, ny Paka tsy maintsy tonga foana. (Izany hoe l'inverse n'est pas impossible). Na tsy mba nandray anjara tamin'ny fiomanana hitsena azy aza ianao, dia mbola tonga ho anao indray izy. Na mbola tsy mahatsapa aza ianao hoe ho anao no nijaliany sy nahafatesany ary nitsanganany, dia nijaly sy maty ary nitsangana ho anao Izy. Koa tonga izao ny Paka dia mba misaora azy.


Ny mahafinaritra ahy @ serasera.org

Published on 07:15, 04/03,2006

Ny serasera.org, ho an'izay vaovao, dia niforona tamin'ny taona 1999 (3 oktobra izy izay). Tsy niova mihitsy ny tanjona... dia ny hanolotra fitaovana hifandraisan'ny Malagasy (mba tsy hamerenana foana ilay hoe hampiray ny Malagasy).

Fa anisan'ny zavatra mahafinaritra ahy indrindra ao amin'ny serasera dia ny tsy fisian'ny elanelana eo amin'ny mpikarakara sy ny mpampiasa ny takelaka. Ny ankamaroan'ny portail toa itony mantsy (na dia tsy vazaha aza fa tena Gasy koa) dia sarotsarotra ihany ny mifandray amin'ny mpitantana. Indraindray ianao mandefa email dia tsy voaray... na tsy voavaly. Indraindray tsy ny olona tianao hifandraisana no mamaly ny taratasinao... be protocole zany e. Fa ny serasera, na dia betsaka aza ireo mpiara-miasa... dia noezahina nofoanana mihitsy ny resaka protocole fa mpinamana daholo na dia ireo vao vaovao omaly aza... ary miara-mandray anjara manantanteraka ny tanjona.

Izany no efa fomba fiasa hatramin'izay... koa mbola izany hatrany no ho fomba fiasa. Tsy midika izany fa tsy matotra, fa toa very maina ilay tanjona hoe hampifandray raha ampitomboina ny elanelana.

Dia aza gaga ary raha mahita ahy mikivanivany ao amin'ny chat, miditra lalina amin'ny resaka ao amin'ny forum, mamaly ny hafatra tsotra dia tsora alefan'ny namana, mandefa hafatra momba ny solonifin'i bebe, tapatsinay rehefa mahita resaka mampihomehy eto amin'ny serasera. sns. Satria mba te ho namana tsotra toa ny rehetra koa aho. 


Civitavecchia

Published on 01:48, 04/03,2006

Here are some photos from Civitavecchia... the Harbour of Rome. It is at 64km from where I live.

IMGP5112 IMGP5110 IMGP5108  IMGP5105 IMGP5104 IMGP5103     


L'amour est un contrat

Published on 03:58, 03/30,2006

Nisy namako izay nitaraina taty amiko momba ny fifankatiavan'izy roa kely. Indraindray aho, hoy izy, te hijanona tanteraka, ho vitaina tsotr'izao... indrindra rehefa sendra mahita azy (mahita ilay lehilahy) toa ny olona tsy responsable, tsy te hiatrika fiainana.

Dia izao ny sombiny tamin'ny navaliko azy :

Je ne suis jamais pour une séparation... je t'encourage de mettre les cartes sur table. De lui montrer tout ce que tu as à offrir et de
présenter tout ce que tu demandes. C'est ça, d'ailleurs l'amour. Ce n'est pas les sentiments habituels des "je t'aime" et des baisers...
C'est un marché, c'est un contrat, c'est une responsabilité. C'est du type "Je peux t'offrir ça, qu'est-ce que tu peux me donner?"... et comme dans tout marché, quand il n'y a pas d'accord, on s'arrete. Mais l'accord se fait au debut. C'est difficile d'avoir un remboursement.
Alors maintenant, tu n'es qu'au debut. Présente-lui ta règle du jeu... et écoute la sienne. Peut-etre que tu trouveras un consensus.




«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12  Manaraka»