Nandresy ny antoko havanana?
Vao tapabolana fotsiny aho no tsy teto Italia dia navelandry zareo handresy ny antoko havanana tssss. :-)
Vao tapabolana fotsiny aho no tsy teto Italia dia navelandry zareo handresy ny antoko havanana tssss. :-)
(vokatry ny tsy fisian'ny internet ara-dalàna ao antrano dia izao ity vao lasa)
Miarahaba ny vehivavy rehetra aloha :-) ary mirary soa... mifalia sy manararaota tokoa rehefa mba omena andro iray ao anatin'ny taona. Fa amin'izao andron'ny vehivavy izao indrindra dia misy resaka mandeha mafy mihitsy eto Italia amin'ity resaka fanalan-jaza ity. Zon'ny vehivavy hono izany. Tenan'ny vehivavy io ka anjarany no mieritreritra izay hataony. Tokony ho avela malalaka tsy misy olana hono ny fanalan-jaza. Ny nahatonga ny olana mantsy dia ny nisian'ny fidiran'ny polisy, efa elaela izay, tamin'ny hopitaly iray nisy fanalan-jaza "ara-dalàna". Taorian'izay dia tonga dia nidina an-dalam-be ny vehivavy sasany nilaza fa tsy tokony hokitikitihana ny zony.
(tohiny)Vao alina mihitsy aho no niresaka tao an-trano ny nofinofy hoe misy olona ve sady tsy miasa nefa mandray vola fotsiny? Dia inona ny zavatra ataony? Dia androany nitranga tao amin'ny gazety Corriere della Sera ny momba an'i Yde Van Deutelkom izay bandy kely Holandezy 22 taona monja. Matory fotsiny i leiry dia mahazo vola :-) (tohiny)
Tsy ho indray azo ny fandriana mafana sy ny "saka manatody" :-)
Tsy misy ifandraisany amin'io teny io mihitsy ity sary apetrako eto ity. Ny sary dia mampiseho Raozy dia izay hita teny andalana ho any Ranomafana. (tohiny)