Ny mpampiasa mpampiasa ihany

Published on 10:02, 06/22,2007

Eritreritra sendra mandalo fotsiny momba ny zavatra mitranga anakiray. Nisy bandy iray nahavita nifamaly mafy tamin'ny lehibe tao ambadika tao omaly. Tena tabataba mihitsy ary nakaratok'i leiry imbetsaka ny varavarana. Niondrika fotsiny aho tato amin'ny biraoko naheno azy. Tonga moa i leiry dia lasa nody ary hatramin'izao androany maraina izao dia mbola tsy niverina niasa. (tohiny)


31 taona izay

Published on 18:03, 05/29,2007

Feno 31 taona androany ny nanaovana batemy ahy. 31 taona izany izay no naha kristianina... na anarany fotsiny na tena izy... fa dia kristianina aloha. Isaorako ny ray aman-dreniko izay nisolo tena ahy tamin'izany fotoana izany ka nampiditra ahy tao amin'ny làla-marina. Vita ny adidiny dia ny mametraka ahy ao amin'ny lalana izay nahitany soa - izay rahateo no maha-Ray amandrReny azy - mandra-pahalehibeko. Nony lehibe aho dia anjarako indray ny miaina izany araka izay tratrako. Izay no fahazoako ny batemy atao amin'ny Zaza na dia mbola tsy misaina aza izy.


Ny momba an'i P. Sylvain Urfer

Published on 16:04, 05/15,2007

Noroahin'ny fanjakana hiala tao Madagasikara tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny ny P. Sylvain Urfer sj. Efa talata izao kanefa sady tsy misy filazana ny antony avy amin'ny fanjakana no tsy misy fanoherana mivantana avy tamin'i P. Urfer na dia efa any andafy aza izy. Izao fahanginan'ny roa tonta izao dia midika zavatra goavana izay azo fintinina hoe izay mangina volamena. (tohiny)


Ny internet... resa-trondro

Published on 13:11, 05/07,2007

Androany maraina aho dia very minitra maromaro teto amin'ny internet. Ny antony dia nisy zavatra iray maika izay notadiaviko tao amin'ny internet (mikasika ny SSO & Authentication) ary nahita be dia be tokoa... saingy tsy nisy azo noraisina. Tsy ao amin'ny ilako azy daholo. Dia izany tokoa matetika ny internet. Raha tany amin'ny bibliothèque aho dia fantatro hoe aiza no hahitana ny zavatra iray dia tsy maintsy misy vokany ny zavatra azoko avy ao satria voafintina kokoa ny sehatra  hikarohana. Dia mitovy amin'ny manarato ihany. (tohiny)


Tsy hifamela?

Published on 17:44, 05/04,2007

Misy zavatra toa izao eto Roma eto amin'izao fotoana izao. Tamin'iny herinandro lasa iny, ny Zoma no marimarina kokoa, dia nisy ramatoa Italiana iray (23 taona izy fa efa mananjanaka dia ataoko hoe tanora) izay toa hoe nifamaly tamina Roumaines roa 20 taona sy 17 taona (ie, aty koa ry zareo) tao anaty Metro. Dia nony raikitra ny fifamaliana dia notsindromin'ilay Roumaine lehibe tamin'ny elo ny mason'ilay Italiana. Voakasika ny tao amin'ny lohany ka na dia nentina teny amin'ny hopitaly aza dia tsy avotra intsony fa maty. (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9  Manaraka»