Iny Weekend Iny... #Shoan

hery 23 Febroary, 2010 02:47 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy haritro ny tsy hitantara ny zava-nisy tamin'iny weekend iny. Tany Paris sy Rouen dia hitako hoe nifangaro ny vahona sy ny tantely, ny fahanginana sy ny kotaba, ny tomany sy ny tsiky, ny fahakiviana sy ny fanantenana... fa nandresy hatrany iretsy faharoa.  (tohiny)

Nandalo FB Fa Mbola Aoka Ihany... Indray

hery 22 Febroary, 2010 13:42 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Taorian'ilay takariva ho an'i Shoan tany Paris tamin'ny zoma teo sy ny dianay tany antranon'i Shoan tany Rouen tamin'ny asabotsy dia fantatro fa tsy maintsy ho ao amin'ny FB no hahitana ny sary voalohany. Tsy nahita sary tamin'ny sisiny mihitsy aho toy ny Flickr, Picasa sns... na dia ireny aza no toerana tena fitehirizana sary :-) 

Dia voatery nandalo kely tao aho io atoandro io... fa mbola tsy hitako daholo akory ny sary dia efa maika aho ny nanidy azy. Tena tsy resaka tsy fitiavana FB fa mikorontana be fotsiny ny saiko amin'ilay izy :-) Sady ohatran'ny niova be izany.

Koa mba ampitampitao ny sary fa tsy poinsa le miditra ao e... tena mitalaho :-p 


Sambasamba Misy Lanezy Eto Roma

hery 12 Febroary, 2010 10:37 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Zavatra tsy fahita firy eto Roma itony ka mila tehirizina. Tamin'ny 2003 no nahatsiarovako hoe nisy lanezy nanify dia nanify izay tonga dia levona. Dia androany indray vao mba nisy an'izany lanezy izany teto Roma. Ary tena be dia be mihitsy. Misy kotroka koa aza. Ireto ny sary vitsivitsy fanombohany fa halaiko tsikelikely avy eto am-piasana eto ihany ny fivoarany.

image_00013 by hery_album_1 

image_00014 by hery_album_1

 

image_00015 by hery_album_1

 

image_00016 by hery_album_1 


Ny Soratra Mitoetra...

hery 18 Janoary, 2010 16:02 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy tadidiko intsony ny tena sora-tanako... kanefa hoe ny soratra mitoetra. Zatra mitapy loatra (manoratra amin'ny milina no atao hoe mitapy)... ka tsy zatra manoratra intsony. Kivy be mihitsy aho mieritreritra hoe ahoana marina no tena endriky ny soratro ... (tohiny)

Tsy Ampy Divay Izy Ireo

hery 17 Janoary, 2010 16:43 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy nandeha nanatrika ny fifampiarahabana tratry ny taonan'ny Malasy eto Roma aho androany dia aleo mba hi-blaogy aloha. Isan-taona tokoa dia  mifamotoana ny Malagasy eto Roma sy ny manodidina dia miara-mivavaka sy mikoràna kely. Tamin'ity taona ity aho vao mba tsy  nandeha hatramin'izay 6 taona nipetrahana teto Italia izay. Tsy afaka mankaiza tokoa fa mitaiza :-) Mbola tsy matiko lolo ilay Aina voan'ny sery taorian'ny nandehananay nanatrika Krismasy ka dia aleo mipirina aloha. Amin'ny herintaona indray mandeha fa mbola hisy foana isantaona.

Tsy ampy divay izy ireo :-)


1 2 3 ... 18 19 20  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)