You Sang To Me - Marc Anthony

Published on 23:54, 06/22,2007

Hira anisan'ny tiako tamin'ny taloha... sendra nandeha tao amin'ny Runaway Bride ilay izy dia niverenana nohenoina indray dia notadiavina dia hita. (tohiny)


Venise sy Manaingazipo

Published on 00:01, 06/18,2007

Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny (tohiny)


Hisesy ny anniversaire

Published on 12:01, 06/12,2007

Ny volana jiona no volan'ny anniversaire ao amin'ny Fianakavianay. Aminay 6 mianadahy dia 4 no manana anniversaire volana jiona ny iray volana jolay ary izaho faran'ny taona. Efa nanomboka omaly izany Andry zandriko lahy 11 jiona, Haja 14 jiona, Fara zandriko vavy 18 jiona, Hasina zandriko lahy 22 jiona dia Vola sisa no 28 jolay. Rehefa dinihana dia voalohandohan'ny volana oktobra any izany no fotoam-pamafazana mba hahazoana vokatra volana jiona... nahoana ary?  (tohiny)


Fahatsiarovana

Published on 01:05, 05/17,2007

 17 Mai 2004 - Bouguereau

baccio


Raikitra ny baolina

Published on 10:30, 05/15,2007

Dia raikitra izany ny baolina izay efa nikofohana hatrizay. Mondialido no iantsoana azy ka anisan'ny mandray anjara ny Malagasy eto Roma. Ny ekipan'i Japon no nanao taminay. Resy 4-2 aloha tamin'ny alahady na dia nitarika tamin'ny isa 1-0 aza. Efa saika nandresy satria dia taimbaolina (hoy ry zalahy) ny baolina 2 maty. Nahafinaritra ny fiarahana. Ny mpitehaka koa nihoraka mafy mihitsy. Ry zareo koa moa hatramin'izay efa zatra ny mahita faharesena goavana ka mba tsy dia nampaninona azy loatra ny 4 sy 2. Tonga nitehaka sy nitondra ranomboankazo teny koa i Mme Josiane vadin'ny Ambassadeur... (izy koa tsy manque mihitsy :-))

 

Afaka tapa-bolana indray ny lalao manaraka izay hihaonanay amin'ny Ukranianina. Maozatra hono ry zalahy ireo fa dia ho hita eo. Efa be koa aminay ny tsy tanora intsony (excuse hafa koa io) koa mbola tsy tapitra akory ny vanimpotoana voalohany(45mn) dia efa mijerijery eny amin'ny mpanazatra sahady mitaky mpisolo. Amin'ny alahady anefa dia mety tsy hisy fanazaran-tena sahady satria hiara-mirona amin'ny "Festa dei Popoli" indray izahay.

Ah... nidina défense aho, sady défense gauche. Toerana mbola tsy hitako hatr'izay niainako. Fa hitako hoe tsy dia mandreraka loatra. Mba tsy voan'ny krampy (isaorana an'Andriamanitra) satria afaka maka aina tsindrainidray. Efa mihinana akondro sy kiwi isan'andro aloha dia misotro rano betsaka koa. Forza ragazzi!!!


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15  Manaraka»