Malgachoscopie

Published on 00:20, 11/19,2006

Teo ihany ny faniriako handray anjara amin'ilay Malgachoscopie izay nanentanana ny mpi-blaogy malagasy. Tsy vita anefa izany koa dia miala tsiny ho an'ireo izay sendra nanantena... ary misaotra an'ireo rehetra izay nahavita nanoratra.

Ny tanjona dia ny hilaza ny fomba fahitana ny fiainan'ny Malagasy amin'ny toerana misy azy. 

Zavatra roa no nanakana ahy tsy hahavita izany soratra izany. Teo aloha ny olana teknika tao am-piasana araka izay nolazaiko afakomaly ka nahatonga ahy hanohy ny asa rehetra serasera sy ny sisa aty antrano. Atahorana mbola hitohy amin'ny herinandro izany olana izany. Teo ihany koa ny olana ara-potokevitra. Eny, efa azo lazaina ho ela ihany aho no teto Italia saingy tsy hitako hoe inona no azo hamaritana ny fiainan'ny Malagasy eto Italia. Eo koa moa ny tontolo virtoaly izay misy ahy izay mahatonga ahy hanalavitra ny tontolo manodidina... ratsy be izany :-)

Ireto hono ireo namana izay nandray anjara tamin'ity Malgachoscopie ity.

Malagasyscopie par Aiky
Malagasy Copy par Dadee
Malgachoscopie par Elodieriana
Malagasy kôpy par Harinjaka
Lettre à un Malagasy de Madagascar par Iko
Malagasy Kopia par Jentilisa
Malgachoscopie | When you give back par Jogany
Malgachoscopie par Lilia
Malgachoscopie par Lutinewink
Malgachoscopie - Exil + Madagascarianskopia par Lova
Malagasyscopia par Malagasy any California
Malgachoscopie par Many
Malgachoscopie par Marc
Malgachoscopie par Mia
Malgachoscopie par Nivo
Malagasyscopie par Rajiosy
Malgachoscopie par Tokinao
Malgachoscopie - Fantatro izay fihaviako par Tomavana
Malgachoscopie par Vola


Lahatsoratra raha tatoy

Published on 14:13, 11/16,2006

Raha tatoy (ratatouille)... na kaonkalany (coq à l'ane <= asio accent circ.) no iantsoana ity lahatsoratra ity fa tsy voakitika nandritra ny andro maromaro ny blaogy.

Nifindra fournisseur-na Internet ny ao ampiasana ka efa ho herinandro izao tsy nisy connexion. Tampoka be koa ilay fanapahan'ny Albacom azy ka tsy nisy niomanana. Mahalagy be mihitsy ilay tsy misy internet fa mihainohaino daholo ny mpiasa.

 (tohiny)


Pirati dei Caraibi

Published on 10:15, 09/21,2006

Che ne so dire? 'E un film del tipo Harry Poter. Ti piacionno solo guardandoli, ti trovi bene... ma quando esci non porti nulla a casa (ecceto il piacere di stare in compania). Sì, è una bella storia di avventura. C'è un obiettivo da raggiungere, una guerra, uno che è vinto, puoi la rivincita... e alla fine, la vittoria.
Non conoscevo troppo gli attori aparte Johnny Depp (Netherland, L'isola che non c'è) e forse Orlando Bloom, che mi ha presentato Nella (Le seigneur des anneaux - Troie). La ragazza che giocca Elisabeth (Keira Knightley) non è male (non solo fisicamente)... e la sua storia d'amore è stata straordinaria: andare incontrare pericoli per un uomo che amava (che cos'è di straordinaria???).


Insomma, è un buon film. Non mi sono addormentato. Chì può dormire vedendo quella faccia schiffosa di Davy Jones (non so quando posso ricomminciare a mangiare pesce e frutti di mare. Ho già sentito che ci sarà un altro "Pirati dei Caraibi" che avrà il titolo "At Worlds End" (Forse in italiano Alla Fine del Mondo)... Lo vedrò?


Superman returns

Published on 09:42, 09/12,2006

Na dia tsy tena tiako loatra aza Superman (mihoatra amin'i Batman sy Spiderman) dia nijery ihany sao dia tsy mahalala izay fantatry ny olona. Anisan'ny film malaza amin'izao fotoana izao mantsy ka ilaina ihany ny mba afaka mandray anjara rehefa mitantara ny olona. Mazava ho azy, amin'ny maha Superman azy dia zavatra tsy azo eritreretina mihitsy no mitranga... izay no itiavako an'i Batman satria farafaharatsiny hita hoe misy zavatra azo tanterahina.
Nanaitra ahy tao amin'ilay film koa ilay detail kely momba an'ilay vitesse. Satria haingana noho ny feo i Superman rehefa manidina dia mandalo an'ilay mur du son izy, tahaka an'ireny fiaramanidina mpiady mandalo mur du son ireny... dia misy an'ilay arc kely.
Nanaitra ihany koa ny tsy nisian'ny scene de sex tao anatin'ilay izy na dia indray mandeha aza. Ary tsy nifanoroka akory izy sy i Lois Lane
Amin'ny ankapobeny dia nahazo tsikera tsara io horonantsary io.
Azonao jerena eto ny mombamomba an'ilay film.


Fiaraha-miasa mampitsiriritra

Published on 15:49, 09/04,2006

Androany aho dia mba liana nijery ny fomba fiasan'ny ao amin'ny meebo.com izay fitaovana ampiasaiko matetika... ka inoako fa be mpampiasa koa. Dia nahita ireo fitsinjaran'asa mirindra isaky ny fahaiza-manaon'ny tsirairay. Marina, mikarama angamba ry zareo ireo, afatsy ireo izay manao internship, fa na izany aza dia ekipa miara-mikahondoha tokoa. Manaporofo izany rahateo ny filazan'izy ireo azy ato.

Inoako fa misy gasy efa manao toa izany koa, angamba ry zalahy sites ngezangeza ireo. Fa mety ho azo atao ho an'ny serasera ve izany? Betsaka ihany mantsy ny malagasy "mivangongo" ato. Mety ho afaka hiara-miasa araka ny fahaiza-manaony. Betsaka rahateo ny zavatra azo atao. Raha misy vonona dia milazà ihany e.

Isaorana be dia be aloha ireo izay efa manampy eny antsefatsefany eny. 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15  Manaraka»