Angers :-)

Published on 14:40, 07/12,2007

Ohatry ny hoe mitovitovy ny anaran'ilay tanana anakiroa soratako amin'ity blaogiko ity. Ny nosoratako farany dia Anzio izay nandehananay tamin'ny Alahady. Izao indray dia Angers izay nisy ahy efa ho andro vitsivitsy izao. Adino any Roma ny cable USB dia tsy tafiditra eto ny sary fa any indray mifampitady. Tokony mbola tsy manoratra eto koa aho izao fa izany no tena hoe tsisy tany han... (tohiny)


Anzio

Published on 02:05, 07/09,2007

Sary vitsivitsy fotsiny nandritra ny nandehananay tany Anzio androany. Anzio dia tanana eo amin'ny 67 km miala an'i Roma. Amoron-dranomasina. Ny plage eo an-tanàna dia andoavam-bola daholo. Ny parking koa toa izany. Tanàna kely fa be olona. Tsy dia misy touristes... ary tsy nisy vahiny hitanay mihitsy teny an-dalana. Tsy nisy afrikana mpivarotra poketra sy solomaso na fehikibo sandoka. Izay nahita anay teny andalana dia nijerijery... angamba gaga hoe olona avy aiza koa itony. Nanaraka ny lalana mankany Latina izahay tamin'ny nandroso dia nivily teo Aprilia. Rehefa niverina kosa nanaraka ny moron-dranomasina tany Ostia. Nafana ny rano :-)
Sary azo jerena vitsivitsy...

 

Fa ity no sariko tiako indrindra :-)

 


26 jiona-n'i Roma

Published on 11:26, 07/01,2007

Omaly izany no nankalazana ny 26 jiona teto Roma. Tsy maintsy ezahina ho asabotsy alina foana fa raha tsy izany tsy misy handihizana. Efa fantatra ihany fa vahoaka mpi-fety ny Gasy eto Roma ka raha tsy misy fandihizana dia karazan'ny tsy manao fety (hafatra ho an'izay Ambassadeur vaovao ho avy eto io). (tohiny)


Ranomasina 2007

Published on 13:14, 06/30,2007

Tara be loatra ny fandehananay teny amin'ny ranomasina tamin'ity 2007 ity. Betsaka angamba ny zavatra nanahirana. Omaly izany ny ranomasina 2007 voalohany. Tsy niova ny ranomasin'i Ostia, be olona, mangidy sira :-), na dia hoe tsy teny amin'ny toerana mahazatra aza izahay no nandeha. Efa hariva izahay vao tonga teny fa mbola be asa... nafana ny rano saingy tsy nijanona ela tao fa toa mbola tsy tena nivonona ny hilomano. Tohizana amin'ny heriny angamba.


26 jiona-nay

Published on 09:21, 06/26,2007

Omaly aho tamin'ny niresaka tamin'ny zandriko vavy dia nilazany hoe hanao harendrina ry zareo ny hariva. Dia tadidiko ny zavatra rehetra fanaonay rehefa 26 jiona izay inoako fa tsy dia niainan'ny olona sasany loatra. Tamin'izany fotoana izany, vao manomboka kely fotsiny ny volana jiona dia efa manomboka ny tsipoapoaka etsy sy eroa. Hitanao amidy eny rehetra eny ilay karazana dinamita kely misy lahiny hatramin'ny kely indrindra eo amin'ny 5cm eo izay amidy 20 ariary ka hatramin'ny lehibe tahaka ny labozia izay tsy haiko ny vidiny fa tsy mbola nividy aho. (tohiny)