Serasera: Ao Paris indray amin'ny 15 novambra 2008

Published on 23:11, 10/29,2008

Dia raikitra izany fa ao Paris indray no hihaona ny Namana Serasera Eoropa amin'ny  15 novambra 2008. Koràna no hatao amin'io. Jereo eto ny filazana ofisialy izay napetraky ny namana mpikarakara.

Mahafinaritra foana ny mihaona amin'ny namana serasera ivelan'ny virtualy. Manjary misy fifankahazoana am-po sy lasa tena mpinamana. Efa imbetsaka ihany no nisy fihaonana toa izao tao Paris, telo no efa natrehako fa ny hafa tsy tratra. Nisy koa tany Nice fa tsy tratrako. Nisy indroa koa teto Roma. Ary ny any Madagasikara dia matetika mihitsy. 

Raha toa ka mahaliana dia azo jerena eto ny sary sy ny ambiansy tamin'ny herintaona.

Dia any indray izany mihaona e.


Baiboly andro aman'alina

Published on 00:08, 10/06,2008

Misy zavatra mampientam-po eto Roma amin'ity herinandro ity. Nanomboka androany tamin'ny 7 ora hariva teo dia vakiana tsy ankijanona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ao amin'ny fiangonana iray ny Baiboly. Ao amin'ilay Bazilika "Santa Croce in Gerusalemme" no anaovana an'izany ary olona avy amin'ny firenena samihafa, finoana samihafa, sokajy samihafa, no mifandimby mamaky ao.

 (tohiny)


Plugoo sao dia mahasoa

Published on 10:54, 05/10,2007

Efa manomboka miely ny fitaovana fametrahana hafatra mivantana izay karazana chat fa apetraka amin'ny site. Fa ity anakiray ity no hitako mahafinaritra indrindra amin'izao fotoana izao... ny anarany dia Plugoo ary ny misy azy dia ao amin'ny Plugoo.com. (tohiny)


Lahatsoratra miafina

Published on 18:39, 04/18,2007

Mba hahafahana mamaky ity lahatsoratra ity dia ampiasao ny tenimiafina test

 (tohiny)


Fety be eto Italia

Published on 00:39, 07/10,2006

Araka ny efa noteneniko ihany moa tatsy ambadika tatsy dia hoe raha i Frantsa sy Italia no hifanandrina amin'ny Finale dia handresy Italia. Satria hoy aho ny Frantsay dia manao filalao mandamina sy miandry occasion parfaite vao mitifitra... fa ny Italiana kosa dia maika ny hamono foana na ho any na tsy ho any. 

 (tohiny)


1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»