Hatao mandritra ny weekend

Published on 03:30, 03/25,2006

Ohatran'ny vao maika miangona daholo wah ny zavatra rehetra rehefa
weekend. Nefa tokony mba miala sasatra.
Apetrako eto daholo sao adino:
- Mampiditra TinyMCE ao amin'ny tahiry.serasera.org
- Manamboatra ny summary theme blaogy.com
- Mampiditra themes vaovao farafaharatsiny 3 ao amin'ny blaogy.com
- Manamboatra ny plugin CSS overwrite ao amin'ny blaogy.com (io no
important @ plugins rehetra tokony hamboarina)
- Afindra ny doka.serasera.org sao dia tratran'ny Bandwidth limit koa.

Dia ho hita eo hoe inona no vita.
Oups... kay mbola hamonjy fety, hanapaka volo, de radem hivoaka :-D
Tsy ho vita indray zany reo???


V per Vendetta

Published on 16:23, 03/23,2006

Nijery an'ilay Film V per Vendetta izahay androany hariva. Tsy ratsy. 

"People should not be afraid of their governments. Governments should be afraid of their people."

Tsy ratsy ilay hevitra tamin'ity Film iray ity. Raha nandresy tamin'ny Ady lehibe faharoa hono ny Alemana dia ho tahatahaka izay nasehon'ny film ny zavaniseho amin'ny taona 2025.

Misy resaka politika ambadika ihany koa ilay izy, manohitra ireo izay mpitondra matanjaka etsy sy eroa ka manambany sy manindry ny sasany. Azo jerena tsara ilay izy fa mampirisika aho.


Ohatra blaogy

Published on 00:56, 03/22,2006

Hapetrako eto tsikelikely ireo blaogy hafa tsy ato anatin'ny blaogy.com izay nahaliana ahy... arakarak'izay tratra eny miaraka amin'ny hevitro kely isaky ny blaogy.
Ny antony dia mba ahafahana mampiseho hoe inona avy no ataon'ny olona amin'ny blaogy.  (tohiny)


Hadisoana vitsivitsy

Published on 10:05, 03/21,2006

Nisy hadisoana vitsivitsy nalefan'i fraz izany dia nahitsiko. Miampy
fanitsiana vitsivitsy ihany koa:

Tsy mitranga ilay adiresy imailaka hahafahana mahazo ny
valin'ireo commentaires (sady toa tsy azo ovaina ?)

Efa nahitsy fa angamba ok amin'izao.
Ny email dia tsy azo ovaina satria any amin'ny serasera no manova azy.

- Nanona teny miafina tao @ serasera.org dia niditra tao @ blaogy.com, dia
tsy mihatra fa ilay taloha ihany no nekeny ? sa miandry kelikely
?
Efa mety izy amin'izao fa nisy hadisoana koa teo

Fanampiny
Matetika rehefa manoratra dia misy hadisoana foana satria adino ny mifidy
sokajy. Amin'izao dia izay sokajy voalhany eo no voaray raha manadino
mifidy.


Na google aza mivika

Published on 09:06, 03/20,2006

Saika hikredy be aho androany nahita fa nisy outages vitsivitsy tao amin'ny serveur misy ny blaogy.com... dia nangina tampoka rehefa nahita hoe na ny google aza nivika kely tao anatin'ny 10 minitra (16h59 - 17h10) Efa milamina tsara izao ny serveur...


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»