Anaty linux tanteraka

Published on 07:16, 10/20,2008

Efa ela ihany aho no nieritreritra ny hiditra lalindalina amin'ny linux. Tsy dia noho izy hoe maimaim-poana loatra (satria hatramin'izay aho mbola tsy nividy Windows koa) fa noho izy azo amboarina araka izay tianao hanaovana azy. Io lafiny io indrindra ohatra no ahafahana mamelona indray ordinatera efa tsy miasa intsony satria tsy mahazaka windows. (tohiny)


Tolotra Boky sy CD Informatika

Published on 12:25, 05/20,2008

Efa volana vitsivitsy izay dia mandefa Boky sy CD any Madagasikara ny infogasy.net. Amin'izao fotoana izao dia miara-miasa mivantana amin'ny Telomiova.org ry zareo amin'izany ary nomena anarana hoe Tolotra Boky sy CD ilay hetsika.  (tohiny)


Novonoiko Imioly

Published on 01:45, 09/14,2007

Misy mampiasa emule kalazalahy ao am-piasana dia mihitsoka daholo ny mpijery internet. Raha ny tokony ho izy dia azo ferana ny hafainganan'ny eMule mba hahafahan'ny rehetra samy mahazo ny anjarany. Androany ary dia nanapa-kevitra izahay hamono an'Imioly. Nosakanana tsy hahazo handeha intsony ny eMule mivoaka sy miditra ny tambazotra.  (tohiny)


Hanova DVD ho AVI

Published on 18:09, 09/07,2007

Ity dia fomba iray izay hanovana ny kapila DVD ho fichier AVI, mba hahafahana mitahiry azy ao anaty CD, na koa mamoaka azy amin'ny Internet, na mandritra azy ho sarimihetsika vaovao indray (manao montage). Ny fichiers ao anaty DVD mantsy dia tsy voavakin'ny fitaovana rehetra.  (tohiny)


Server under attack

Published on 15:53, 08/28,2007

Tsy nahavita asa mihitsy indray aho androany maraina hatramin'izao fa voatafika indray ny serveur iray an'ny serasera izay misy ny blaogy.org, baiboly, artiste-malgache.com sy sites hafa vitsivitsy.

 (tohiny)