Variana milalao...

Published on 00:49, 03/11,2007

Misy zavatra mahavariana ahy amin'izao fotoana izao. Vao nahita ilay atao hoe JQuery aho andro vitsivitsy izay. Nifanojo tanteraka tamin'ny nanavaozana ny Radiovazogasy.com no nahitako azy. Tiako haseho anareo fotsiny zavatra mety ho vitany. Ny zavatra kely efa mba haiko amin'ilay izy ity asehoko anareo eto ambany ity. Ho an'izay efa mahay programmation dia mora ho azy ny mianatra sy mampihatra azy.


 (tohiny)


Nohavaozina ny Radiovazogasy.com

Published on 22:16, 03/07,2007

Vita sy naseho vahoaka androany ny Voatra hafa 4 (Version 4)-n'ny takelaky ny RadioVazoGasy.com. Antenaina fa hisy fahatsarany eo amin'ny hafainganana indrindra indrindra. Io no takelaka mampiasa ny Solaitra voatra farany indrindra eto amin'ny serasera ary angamba ato ho ato dia hanaraka azy koa ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny hafa. (tohiny)


Fitaovana manakely sy manamboatra sary

Published on 00:19, 01/31,2007

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.
 (tohiny)


Ajax voalohany: radiovazogasy.com

Published on 17:58, 07/28,2006

Rehefa avy namaky lahatsoratra vitsivitsy momba ny AJAX aho dia nanapakevitra ny hanandrana azy amin'ny site. Dia tao amin'ny radiovazogasy no nametrahana azy. Io izany ny Ajax voalohany natao :-)

Ny hira mandeha sy ny hira handeha no nampiasana azy. Miova ho azy isaky ny iray minitra izy io. Noho ny mety hisian'ny tsy mampiasa javascript dia napetrako ao anaty <noscript> ihany ny zavatra mpitranga mahazatra.


Backup Manager

Published on 07:59, 07/07,2006

Androany aho vao nahita fitaovana mahafa-po amin'ny fanaovana backup-n'ny serveur. Ity fitaovana ity angamba no hitako hoe feno indrindra raha toa ka te hitahiry ny serveur web sy mysql amin'ny toerana iray hafa (remote) mampiasa ftp.
 (tohiny)


«Mialoha   1 2