Talenta tsy mampino

Published on 14:38, 03/06,2007

Dia samy manana ny talentany marina ny olona. Fa misy ny an'ny sasany dia tena tsy mampino mihitsy.

 (tohiny)


Fahatsiarovana

Published on 10:17, 01/12,2007

hery
Mandefa an'ity avy ao amin'ny serasera fotsiny aho io kah :-)
Tsy dia misy n'inona n'inona.
Ary raha asiana tsindripeo mihitsy יייי


The Departed... il bene e il male

Published on 00:18, 11/19,2006

Zakan'ny synopsis tetsy sy teroa aho izay nilaza fa tena tsara ilay The Departed dia niezaka nijery. Henoko hatramin'ny voalohany fa remake-n'ilay Internal Affairs ilay izy ka izay no nampanahy aho. Rehefa nojerena anefa dia tena nahafa-po tanteraka ny tantara. Ho an'izay tsy tia korontana aloha dia tsy dia tsara ilay izy. Ny votoatin'ny tantara kosa dia azo lazaina hoe voasaina tsara.
Ny lohateny dia nampian'ny italiana hoe Il bene e il male (Ny tsara sy ny ratsy)... izay afaka mamintina tsara ny tian'ny tantara holazaina. Fifamadihan'asa eo amin'ny olona roa. Ny iray jiolahy nanao izay azony natao mba hahatafidirana tanteraka ao anatin'ny polisy... Ny iray kosa polisy izay nampidirina tao anivon'ny andian-jiolahy.
Ny niafarany fotsiny no tsy dia tsara... satria ny nandrasana dia hoe ny handresen'ny tsara. Asa ady sahala no niafaran'ilay izy.


Babel... un autre visage de Brad Pitt

Published on 09:37, 10/30,2006

Teny gasy ihany ka :-)
Tsy nijery na naheno ny tsikera momba ity horonantsary Babel ity mihitsy aho talohan'ny nahitako azy omaly. Ary na dia tao amin'ny fividianana tapakila aza dia mbola noheveriko ho karazan'irony tantara gidragidra be irony ilay izy. Brad Pitt rahateo moa no milalao. Tsy izany anefa no hitako... fa tantara mampihetsi-po sy lalina dia lalina.

 (tohiny)


«Mialoha   1 2