Taingim-Be

hery 17 Jolay, 2009 10:01 ItaliAfrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

http://farm4.static.flickr.com/3109/3221503249_df42eca435.jpgTsy hoe mirehareha amin'ny taingim-be any Madagasikara akory fa rehefa samy hifanesika ihany dia aleoko indray ilay mikiraviravy amin'ny bus toa izay tahaka ny omby ohatr'itony aty Italiafrika itony. Ny nahatonga ity gidragidra ity dia satria nofoanandry zareo ny train anakiroa teo aloha (noho ny toetr'andro hono) dia voatery misisika toa izao ny olona.

Ny fofona amin'io an grrr :-)


Omeo An'i Sezara...

hery 19 Oktobra, 2008 07:04 Eritreritra mandalo, ItaliAfrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno.  (tohiny)

Fitaterana Eto Afrika

hery 27 Jiona, 2008 07:19 ItaliAfrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ela mihitsy aho no te-hizara aminareo ny fitaterana eto ItaliAfrika fa izao vao vitako... sady nisy sary nahafahana nanohana ny fitarainana Smile

 (tohiny)

Euro2008: Mody Ny Italiana

hery 23 Jiona, 2008 09:33 ItaliAfrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.

Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy? (tohiny)

Resy Italia Faly Ny "Italiana"

hery 10 Jiona, 2008 12:55 ItaliAfrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Resin'i Holandy 3-0 (telo sy donga) i Italia omaly. Tahaka ny lehilahy rehetra dia mba tia mijery baolika kitra koa aho... ary manaraka sy tsy azo tabatabaina mihitsy rehefa fifanitsanana lehibe toy ny CAN, Euro, Mondial. Omaly ary dia ny ekipa Holandezy sy ny Italiana no nihaona. Fidirana voalohan'ny Italiana tamin'ity Euro 2008 ity. Fantatsika ny vokatra, resy 3-0 i Italia.

Fa ny tena nahagaga ahy, isaky ny misy baolina miditra dia misy mihoraka be foana. Kanefa tsisy Holandé mipetraka akory eny aminay eny. Dia rehefa nalefa ny eritreritra dia hoe misy tsy maka Italiana maro ny mpjery eny amin'ny manodidina anay eny... ary tsy matahotra atao hoe tsy maka ekipa Italiana. Toerana be vahiny mantsy eny, ka amin'izao mampafanafana ny resaka vahiny eto Italia izao dia atao daholo koa izay fomba rehetra hampisehoana ny fankahalàna ny governemanta. Dia afangarondry zalahy indray izany ny resaka politika sy ny resaka sport. Halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao.


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)