Ny Italiana sy ny Eoropeana

Published on 20:20, 04/24,2008

Ity sarimihetsika kely ity dia namboarin'i Bruno Bozzetto izay Italiana. Mampiseho ny mahasamihafa ny Italiana amin'ny Eoropeana hafa... na ny marimarina kokoa, ny mampitovy ny Italiana amin'ny Afrikana :-)

 (tohiny)


Masoandro mihiratra

Published on 13:29, 02/22,2008

Mbola tsy tonga ny lohataona (printemps, primavera) aty Italie kanefa efa manomboka miposaka sahady ny masoandro... nangina ny tontolo nandritra ny fotoana vitsivitsin'ny ririnina... dia nangina koa ny blaogiko. Nifoha kely izy izao... fa nisy masoandro kely indrindra  vokatry ny tel voaray vao teo. (tohiny)


Governora mpandika lalàna eto ItaliAfrika

Published on 09:58, 09/21,2007

 

<B>Burlando contromano in autostrada<br>"Sono deputato", niente multa</B>
Claudio Burlando
Vaovao nanaitra indray ity nitranga omaly ity. Governoran'i Liguria izay sady minisitry ny fitaterana teo aloha no efa solombavam-bahoaka ihany koa. Atoa. Burlando dia nandeha tamin'ny zotra mifanohitra amin'ny tokony ho izy tamin'ny lalambe Autoroute. Ilay antsoina foana hoe "à contre sens" amin'ny teny frantsay na "contromano" amin'ny teny Italiana. Efa maherin'ny 1 km izy no nanao izany, nifanena tamin'ny fiara vitsivitsy, vao nijanona. Soa ihany fa tsy niteraka loza. Ireo fiara izay nifanena taminy moa dia niantso ny polisy avy hatrany. Nony tonga anefa ny polisy dia nasehony ny karatra maha solombavam-bahoaka azy, karatra efa lany daty, dia navelan'ny polisy nandeha fotsiny izy.

 

Ny eto Italia, amin'ny maha firenena Afrikana azy, dia mbola manaja tsara ireny filoha na mpitondra na solombavam-bahoaka taloha ireny. Firifiry tokoa moa ny mpitondra taloha aty amin'ny tany afrikana no miliba fotsiny na dia be aza ny zavatra tsy nety nataony sy nanenjehana azy nandritra ny fotoana nitondrany. Fitandroana ny "Fihavanana" daholo izany.


Boatin'afokasika

Published on 11:06, 06/27,2007

Efa nolazaiko ihany tatsy aloha tatsy ny fahitako an'i Venise, tananam-pitiavana. Aiza tokoa re ny tananam-pitiavana any Dago... Anjely Mainty eny Anosy? Eny Ambatofotsy? Eny Imeritsiatosika? Eny Ambohijanahary? Eny Tsimbazaza? Ireo aloha no tadidiko fampiarahan'ny olona taloha. (tohiny)


«Mialoha   1 2