Anaty Linux Tanteraka

hery 20 Oktobra, 2008 07:16 Informatika, Fampianarana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa ela ihany aho no nieritreritra ny hiditra lalindalina amin'ny linux. Tsy dia noho izy hoe maimaim-poana loatra (satria hatramin'izay aho mbola tsy nividy Windows koa) fa noho izy azo amboarina araka izay tianao hanaovana azy. Io lafiny io indrindra ohatra no ahafahana mamelona indray ordinatera efa tsy miasa intsony satria tsy mahazaka windows. (tohiny)

Aza Ampijaliana Ny Tenintsika: Ny "H"

hery 29 Martsa, 2008 10:43 Fampianarana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Fandraisana anjara amin'ny "Aza ampijaliana ny tenintsika".
Sarotra ihany ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy ny mamantatra hoe misy "h" ve ny teny iray sa tsy misy satria amin'ny ankapobeny ny "h" dia tsy tononina. Ho an'ny faritra sasany toa ny any Betsileo aloha tsy dia manana olana satria tononina tsara mihitsy ny "h". Koa ireto ary misy fomba vitsivitsy hahalalàna hoe tokony hisy "h" sa tsy tokony ny teny iray. (tohiny)

Ampiasao Ny Fahana RSS

hery 15 Martsa, 2008 09:42 Fampianarana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS. (tohiny)

Blaogy.Com : Dingana Dimy Hanokafana Blaogy

hery 07 Desambra, 2007 07:58 Fampianarana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa misy ihany nosoratako tany aloha tany momba ny fandrindrana ny blaogy eto amin'ny blaogy.com. Ity lahatsoratra ity dia mampiseho ireo dingana tsotsotra tokony holalovana ho an'ireo vao hanomboka hametraka ny blaoginy eto.

 (tohiny)

Fampidirana Sary Tsotsotra

hery 01 Oktobra, 2007 17:23 Fampianarana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ity dia fomba anakiray hafa fampidirana sary izay sady mandeha eto amin'ny blaogy.com no mandeha any @ blaogy.org

 (tohiny)

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)