Sarintava ao amin'ny serasera

Published on 02:31, 07/08,2008

Dia vita androany ny andrana momba ny fampiasana sarintava eto amin'ny serasera. Amin'izao fotoana izao dia ny forum ihany no misy azy fa hiitatra eo anivon'ny takelaka mampiasa solonanarana serasera iray manontolo. (tohiny)

Fete de l'internet an-tsary

Published on 16:41, 06/29,2008

Tonga dia efa apetrako eto ny sary vitsivitsy nandritra ny fete de l'internet omaly sy androany nandraisan'ny Telomiova / Jojopil / Serasera / Infogasy anjara.  (tohiny)

Serveur Vaovao RVG

Published on 12:06, 06/11,2008

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.

Tetikasa Telomiova: Lasa izao

Published on 13:54, 01/05,2008

Tamin'ny volana Oktobra 2007 dia navoaka tamin'ny blaogy sy takelaka maromaro ny "Antso ho fampiroboroboana ny aterineto any Madagasikara". Niseho tao amin'ny Gazety Madagascar Tribune izany ary nifampidinihana tao amin'ny Forum serasera.org. Taorian'izay dia nisesy ny fivorian'ny mpi-blaogy vitsivitsy ny ny tao amin'ny fikambanana Namana Serasera Dago nandinihana ny mety hatao ka teraka tamin'izay ny Tetikasa Telomiova(tohiny)

1 2 3 4 5 6  Manaraka»