When I find myself in times of trouble

Published on 11:02, 12/22,2008

[begin: sermonina]

Misy fotoana roa tena ahatsiarovana an'Andriamanitra... rehefa tena latsaka iny sy ilay rehefa tena mahita fahagagana. Ny fotoana eo antenantenany ohatra ny tsy dia mahatsiaro loatra. Rehefa sendra voakapoka mafy ny olona ka mitady izay hianteherana etsy sy eroa, (amin'ny film aloha no tena hitako :-)) dia farany miteny hoe "Mbola tsy nivavaka mihitsy aho, Tompo, fa androany aho mitodika aminao"... Tahaka izany koa, rehefa tena misy zavatra tsara, tsy hay izay antony, mitranga eo amin'ny fiainana dia tonga saina tampoka "misaotra an'Andriamanitra"...

 (tohiny)


Ohabolana malagasy 4114

Published on 09:16, 12/18,2008

Misoko mangina, mitombo tsikelikely ihany ny ohabolana voatahiry ao amin'ny takelaka Ohabolana malagasy (ohabolana.org). Mahatratra 4114 izy amin'izaho mijery izao. Noezahina tsy hisy ohabolana miverimberina, kanefa moa eo ihany ny olana momba ny ohabolana iray izay samy manana ny filazany azy, ary eo koa ny diso tsipelina. (tohiny)


Serasera tao Paris

Published on 11:07, 11/28,2008

Elaela tsy niblaogy dia hatramin'ny sary tany amin'ny fihaonana tany Paris avy no tsy voapetraka teto. Koa dia iny ary ny sary bambaray tamin'ny ankizy maromaro, apetraka eto ho fijerijery. (tohiny)


Serasera: Ao Paris indray amin'ny 15 novambra 2008

Published on 23:11, 10/29,2008

Dia raikitra izany fa ao Paris indray no hihaona ny Namana Serasera Eoropa amin'ny  15 novambra 2008. Koràna no hatao amin'io. Jereo eto ny filazana ofisialy izay napetraky ny namana mpikarakara.

Mahafinaritra foana ny mihaona amin'ny namana serasera ivelan'ny virtualy. Manjary misy fifankahazoana am-po sy lasa tena mpinamana. Efa imbetsaka ihany no nisy fihaonana toa izao tao Paris, telo no efa natrehako fa ny hafa tsy tratra. Nisy koa tany Nice fa tsy tratrako. Nisy indroa koa teto Roma. Ary ny any Madagasikara dia matetika mihitsy. 

Raha toa ka mahaliana dia azo jerena eto ny sary sy ny ambiansy tamin'ny herintaona.

Dia any indray izany mihaona e.


Ampio ny serasera.org

Published on 23:40, 10/28,2008

Nisy bandy izay, angamba lanaky ny totoafo amin'ny fangatahana fanampiana ho an'ny serasera.org, dia nahavatra niteny mihitsy hoe: "Izahay rehefa manao site tsy mba hangataka etsy sy eroa." Tsy haiko aloha na niova adiresy ilay site-n'i leiry fa tsy hitako popoka intsony. (tohiny)


1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»