Nohavaozina ny Radiovazogasy.com

Published on 22:16, 03/07,2007

Vita sy naseho vahoaka androany ny Voatra hafa 4 (Version 4)-n'ny takelaky ny RadioVazoGasy.com. Antenaina fa hisy fahatsarany eo amin'ny hafainganana indrindra indrindra. Io no takelaka mampiasa ny Solaitra voatra farany indrindra eto amin'ny serasera ary angamba ato ho ato dia hanaraka azy koa ny takelaky ny namana.serasera.org sy ny hafa. (tohiny)


Sakana etsy Sakana eroa

Published on 19:05, 02/06,2007

Vao avy nampidirina indray ny sakana tsikera ao amin'ny serasera.org. Izany mantsy no mbola tsy maintsy atao ho an'ny sasany ao amin'ny serasera. Raha vao tsy sakanana dia manao abus.

Manomboka androany izany dia azon'ny tompontsary sakanana tsy hametraka tsikera koa ny namana. Teo izy dia azony fafaina fotsiny fa amin'izao dia azony sakanana mihitsy.

Ary raha toa moa ka aseho amin'ny statistika mihitsy hoe iza ny namana tena be mpisakana? :-) ho hitan'ny havany eo 


Mihaino Radiovazogasy eny an-dalana

Published on 10:10, 09/19,2006

Navoaka androany indray izany ny Radiovazogasy off-line (prêt-à-porter). Io dia mba hahafahana mihaino ihany koa ny Radiovazogasy n'aiza n'aiza misy anao. Izany hoe nasiana fichiers maromaro (roa aloha amin'izao) izay noraisina tao amin'ny hira mandeha mandritra ny adin'ny iray isan'isany azo alaina ao amin'ny Radiovazogasy.com. Eo amin'ny 20MB eo ny fichier iray. Rehefa manana an'io izany dia mba ohatr'ireny mihaino Radiovazogasy ireny koa na dia tsy en direct aza.

 (tohiny)


Ajax faharoa: Hafatra farany

Published on 13:12, 09/01,2006

Ny nampiasana ajax faharoa eto amin'ny serasera.org indray dia ny fampisehoana ny hafatra farany nandeha tao amin'ny forum ho eo amin'ny takelaka fandraisana ao amin'ny namana.seraser.org. Hevitra efa ela be naroson'i fraz izy io fa izao vao vita noho ny fotoana. Ankoatr'izay moa dia azo raisina amin'ny alalan'ny RSS izany ny hafatra farany nivoaka tao amin'ny forum. Ny rohy dia azo jerena eto.


Ny ao ambadiky ny ridao

Published on 17:12, 08/25,2006

Izaho matetika rehefa mijery film, mijery theatra, na mijery fandaharana amin'ny télé sns... dia mahaliana be ahy foana ny mijery hoe ahoana ary no tena ataondry zareo ao ambadika ao... any ambadiky ny ridao.
 (tohiny)


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»