Fihaonan'ny namana: Roma 4-5-6 Aout 2006

Published on 00:08, 06/09,2006

Dia raikitra izany fa hisy fihaonan'ireo namana ao amin'ny serasera.org amin'ny 4-5-6 aogositra 2006. Eto Roma (Italia) no hatao io fihaonana io. Natao indrindra mba hanararaotan'ireo namana hitsidika izany tanana mandrakizay (ville éternelle) izany. (tohiny)


Server Flood: Tratrako ialahy

Published on 02:14, 06/08,2006

Androany vao tratrako ilay bandy (rangahy ) izay nanao server flood tao amin'ny serasera.org hatrizay. Ny anarany (solonanarany) ve moa dia holazaina eto fa mba mahagaga ahy fotsiny ilay izy.
 (tohiny)


Lohamilina dokambarotra nisy olana

Published on 08:47, 06/05,2006

Nihoatra indray ny tosaka tao amin'ny lohamilina doka.serasera.org izay misy ny fitantanana ny dokambarotra rehetra eto amin'ny serasera.org  
 (tohiny)


Serasera nisolo akanjo tsy satry

Published on 05:57, 05/31,2006

Efa ela no saika hanova kely indray ny endriky ny takelaka namana.serasera.org fa tsy nanam-potoana mihitsy. Fa androany dia tena voatery novaina :-) tsy satry.
 (tohiny)


Tsikeran'ny sary ao amin'ny namana

Published on 03:12, 05/03,2006

Noho ny abus izay ataon'ny sasany (tsy mataho-tody :-)) dia voatery nampidirina ho ao anatin'ny mainFrame an'ny serasera.org ny fitantanana ny tsikeran'ny sary. Efa niezaka ihany aho ny nametraka ny tsikera ho any amin'ny toerana hafa (haloscan.com) na dia nandoa vola fanampiny isantaona aza, saingy lasa baranahiny ilay izy dia nampidirina ao amin'ny serasera.org ihany.

Ny olana amin'io dia
- Mitombo indray izany ny bandwidth sy ny space ilaina ao amin'ny namana (izay efa manahirana mihitsy)
- Tsy maintsy mandany fotoana kely aloha handaminana azy (manage comments ataon'ny namana tompon'ny sary... etc) fa izany hoe mbola tsy maika io.

Aleo hoa ho manja ilay revy

"Tsiky dia ampy" 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7  Manaraka»