Manaova Fety Sambatra

hery 26 Jiona, 2010 08:24 Politika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy  hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Miantsoantso fihavanana izy kanefa izy aza tsy manao dingana iray amin'izany akory.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.


Green Zone

hery 24 Jiona, 2010 23:37 Sarimihetsika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa manomboka miverina mijery film indray izao. Film telo na efatra isankerinandro aloha no tratra. Tamin'iny herinandro lasa iny dia nahafinaritra ilay Green Zone (trailler etsy ambany). Ohatry ny te handresy lahatra hoe tsy nisy fitaovam-piadiana simika izany tany Irak fa fikafika fotsiny iny mba hanesorana an'i Saddam Hussein teo amin'ny fitondrana. Dia terena be fotsiny hoe hisy ary izay mitady hahafantatra ny marina dia faizina.

Hitako tamin'iny herinandro iny koa Micmacs à tire-larigot (2008) miaraka amin'i Dany Boon. Film nahafinaritra na dia efa tranainy sy kidaladala ihany aza. Ary farany ilay film nampihomehy anakiray koa hoe Protéger et servir (2009) miaraka amin'i Kad Merad. Ie, mpilalao mahafinaritra ahy koa rangahy io fa betsaka ny film-ny efa hitako (Bienvenue chez les Ch'tis sy Le petit Nicolas no tena nilay). Amin'ity herinandro ity dia Agora, Prince of Persia, The book of Eli, dia mba asiana fihomehezana kely amin'ilay She's out of my league.


Andrana Sary

hery 21 Jiona, 2010 15:10 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mety ny fampidirana sary ka


Mandeha Ihany Ilay Fotoana Kle

hery 18 Mey, 2010 09:00 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tamin'ny voalohan'ny volana avrily aho no nieritreritra hamoaka ilay module vaovao ao amin'ny namana. Resaka group le izy. [ Hozy indray zao nareo hoe mitovitovy amin'ny FB izany. Ka ny FB aza nanao mitovitovy amin'ny serasera koa :-) fa tsy any ny olana ] Hatramin'izao tsy mety vita kanefa kay efa misasaka mahery ny volana may. Ka ezahina hovitaina amin'ity faran'ny volana ity dia avoaka amin'ny jiona raha mety. Mandeha be ihany ny fotoana an.

Ka i Aina aza moa efa mandeha be... efa miakatra tohatra i leiry raha vao tsy hitahita. Efa mihoatra ny vala e. Tenenina foana fa e e e. Nasiana (nividianana mihitsy) an'irony karipetra matevina irony ny trano, fa aleony indray mandeha manara-tsisiny eny amin'ilay tsy misy karipetra (tapis no dikan'ny karipetra). Mahafinaritra ny mahita azy rehefa mianjera sy mitsangana malaky. Raha toa izany daholo moa ny fiainana. Tsy menatra mihitsy izy na mitaredretra eo rehefa mianjera fa tonga dia miezaka mitsangana malaky dia mamindra indray na dia fantany aza fa mbola hianjera rehefa kelikely. Rehefa lehibe mantsy no potraka toa malaina hitraka... mora kivy hoe tsy hahatratra ilay toerana haleha.

Mandeha be ny fotoana fa 6 taona omaly izay mbola toy ny vao omaly :-) Tadidiko na ny akanjo na ny ora na ny volon-danitra... ary ilay andry vato moa fahafiry?

 


Zoma Masina Subiaco

hery 03 Aprily, 2010 07:49 Izaho sy ny ahy Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Rehefa mipetraka aty lavidavitry ny tanandehibe aty vao mahita hoe mbola mivavaka ihany ny Italiana. Ny fiangonana aty isaky ny alahady misy lamesa impiry, ary amin'izany feno hatrany. Fa ny tena nanaitra ahy dia ny Zoma Masina omaly. Ohatry ny hoe Katolika daholo ny olona manerana ny tanàna. Vao andro vitsivitsy mialoha aloha dia efa ny fetin'ny Paka foana no resaka. Ary tsy mba toy ny firesaky ny tsy mpino fa resaka mikasika ny fomba hankalazana amim-pinoana ny Paka. Na any amin'ny bar aza (toerana fisotroana kafé ny bar aty fa tsy dia fisotroan-toaka loatra) dia mbola ny pitsopitsony amin'ny fanorohana ny Lakroa Masina, ny processions, ny veillée de prières no heno. 

 (tohiny)

1 2 3 ... 72 73 74  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)