Tetikasa fanorona - teti-panorona

Published on 05/25,2006

Angamba dia misy gaga mihitsy hoe inona daholo ity tetikasa etsy sy eroa ity... toa ny etsy tsy vita kanefa ny etsy manomboka ihany. Efa mahazatra ahy anefa ilay manao zavatra be dia be indray miaraka :-) - ny olona rehetra ve moa tsy toa izany daholo - dia ho hita eo izay hihafarany e.

Ity tetikasa ity, izay tena sérieux mihitsy :-) dia tetikasa iray hanamboarana lalao fanorona amin'ny alalan'ny PHP/MySQL ary mety hampidirana AJAX. Efa mandeha an-dalana eny ihany ny eritreritra... any anaty train aho dia manoratra pejy maromaro mihitsy hanaovana azy. Ary ny tena nahafaly ahy dia iarahana manao amin'i Luc ao amin'ny laterit-productions.com ilay izy ka angamba mety ho tontosa tsara.

Dia sady manao antso avo ho an'izay rehetra vonona ihany koa.
Ny takelaka misy ny tetikasa dia ao amin'ny fanorona.tuxfamily.org 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=1011

Leave a Reply

One Response to Tetikasa fanorona - teti-panorona



  1. Visit hira72

    milay zany e!tena afaka hilalao fanorona tena izy amin'izay zany ny bandy le aza an!Misaotra rahery an.



  2. Visit Tattum

    tsara ilay hevitra. sady nitondra boky momba ny fanorona aho dia niheritreritra hitady jeu en ligne. fa azo apetraka @ site na blaogy ve izy io rehefa vonina? fa ilay resaka mandrehy anjara @ fanamboarana azy dia avelako any izay mahay azy! :)



  3. Visit ranaivoarivao jean luc

    merci rahery am ilay lien mankany am le site-nay a.
    efa miketriketrika ny diagramme de classe zay am zao fa rehefa vita dia tonga dia alefanay any aminareo e.
    namana raluc (lou - trambo)