Fihaonan'ny serasera teto Roma
Tontosa soa amantsara ny fihaonan’ny namana serasera teto Roma ny 4-5-6 aogositra 2006 teo. Nahafinaritra tanteraka ny fiarahana… tsy nampoizina loatra ho toa izany raha eritreretina hoe olona tsy mifankahalala afatsy amin’ny alalan’ny internet (forum, chat, hafatra sns…
na dia efa nisy ihany ny fifampizaràna sary tetsy sy teroa. Be dia be, noho izany, ny surprises… fa surprises nahafinaritra daholo.
Feno ihany koa ny fandaharam-potoana. Fitsangatsanganana nijery tanàna, fiaraha-mihirahira, filomanosana tany Bracciano, fivoahana alina… ary nisy koa ny fotoana niresahana kely momba ny serasera.org.
Anisan’ireo tonga ralay, jm, ds, rrasoa, lanto, sipagasy, cathy, ferrari, mimoza, fasaly, miampy an’i mbaliana, angie, rahery, colar, jantina, hery… sao dia nisy adino?
Sombina Video
SeraseraRoma
Vidéo envoyée par hery
Sombintsary.



















08/09,2006, at 20:00
Visit Tadio
Milay le revy tany ry Hery fa mody mba ataovy lehibebe fotsiny le sary mba hakan'ny tapaka sy namana tsy mbola afaka nandeha tany fafiny.
Ahoana io sarin'i Fasaly teo anoloan'ny mpivarotra "...bibite" io? Not a bad idea! :-)
08/09,2006, at 23:57
Visit jentilisa
Aza manonona anarana manokana kosa ry tadio fa sao dia tsytiany a! mahafinaritra aloha izany ny fihaonana raha ny mijery azy amin'izao fotsiny e!
08/10,2006, at 07:32
Visit kally
Mahafinaritra tokoa fa ianareo kosa manome tsifoifoy e! kely balitika kely ilay sary dia hila tsy hahita n'inon'inona ve izahay rangahy koh!?
08/10,2006, at 07:42
Visit Hery
kally> fa angaha kosa ary dia haseho anareo ny sarin'ny tarehin'ny olona. Ny ambiance no tena tiana haseho :-)
Sady ry zareo mimenomenona raha vao hita ny sariny...
08/13,2006, at 01:21
Visit Tadio
Jentilisa
08/13,2006, at 01:23
Visit Tadio
Jentilisa