Ny lohateny dia nampian'ny italiana hoe Il bene e il male (Ny tsara sy ny ratsy)... izay afaka mamintina tsara ny tian'ny tantara holazaina. Fifamadihan'asa eo amin'ny olona roa. Ny iray jiolahy nanao izay azony natao mba hahatafidirana tanteraka ao anatin'ny polisy... Ny iray kosa polisy izay nampidirina tao anivon'ny andian-jiolahy.
Ny niafarany fotsiny no tsy dia tsara... satria ny nandrasana dia hoe ny handresen'ny tsara. Asa ady sahala no niafaran'ilay izy.