Inona no misakana anao tsy hi-blaogy?
Isika namana rehetra eto amin'ny serasera dia afaka mampiasa ny blaogy.org hametrahantsika ireo zavatra manokana izay tsy tafiditra eto amin'ny forum, na koa tiana hotehirizina maharitra... (satria ny eto amin'ny forum dia voafafa rehefa tsy misy mamaly mandritra ny 2 volana)
Ny blaogy.org ohatra dia azonao ametrahana video (Jereo eto), azonao ametrahana sary maro (Jereo eto), azonao ametrahana izay fiainanao andavanandro tianao hotehirizina any (Jereo eto), azonao asiana ny tena mombamomba anao manokana tena serieux (Jereo eto) kanefa azonao ametrahana izay izay fialambolinao (Jereo eto). Azo asiana resaka lava be tsy voafetra... ara-pilozofika (Jereo eto) dia azonao tsy asiana na inona na inona koa
(Jereo eto)
Inona no misakana anao tsy hanao blaogy?
Soraty ao daholo na ny faniriana sesehena, na rediredy politika manohana sy manohitra an-dRavalo, tononkalo, sns
Izay tsy zakan'ny forum. ![]()
Raha mazoto ianao ary dia mandehana ao amin'ny
http://blaogy.org
Misaotra
02/12,2007, at 16:27
Visit kitjo
hihiihi
ohatry ny "mihaino radio" za mamaky ny soratr' i Hery..
tena hitako mahafinaritra fa tena tsotra kosa aloha ny fampiasana lay blaogy.org raha oharina @ blaogy.com aza!!!
fa saingy mbola tsy dia misy kil...hihihihh
Misoatra e!
02/12,2007, at 16:29
Visit kitjo
ary ny an Hery tsy mba natao ao? hihihi
02/12,2007, at 19:18
Visit sipagasy
mmhh eny hoa akia ry kitjo kouu ny antsika nataony ao nefa ny azy mba ohatra tena milay koa annnn
02/13,2007, at 07:28
Visit DotMG
Ny misakana ahy tsy hiblaogy dia tsy misy mpamaky!
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
02/13,2007, at 09:24
Visit Hery
DotMG> izay mihitsy ilay hadisoana... Ilay mieritreritra hoe hovakian'ny "olona" (hafa) no tena hanaovana ilay blaogy.
Ny ahy dia mety hoe ilay hiverenako any aoriana any... ilay ho hitan'ny ankizy sns :-)
02/14,2007, at 17:39
Visit kitjo
Marina ihany kosa aloha ny an' i DotMg e..
aakaraka ny antony itondranao ny ao anatin' ilay blaogy manko oe fitehirizana (ilainy ve) sa resadresaka sy tafatafa ilainao ny hevin' ny mpamaky
dotmg> tsisy mametraka hevitra ve no ilazainao oe tsisy mpamaky? diso manko zay!
02/22,2007, at 07:00
Visit DotMG
Misy mamaky ihany kay ny blaogy ka! Nasiako compteur manisa visite humain unique ny ahy, mba misy mpitsidika azo isaina @ ratsam-batana ihany.
Fa hono ho'aho, aiza ny RSS comment @ blaogy.com? Angaha tsy misy?
04/10,2007, at 02:45
Visit BluRiiks
Hi
levaquin
[url=http://levaquin.abc-herbal.com]levaquin[/url]
levaquin
[url=http://levaquin.abc-herbal.com]levaquin[/url]
levaquin
[url=http://levaquin.abc-herbal.com]levaquin[/url]
levaquin
[url=http://levaquin.abc-herbal.com]levaquin[/url]
Best wihes