Nangingina ny blaogiko

Published on 02/27,2007

Nangingina ny blaogiko tato ho ato. Be dia be ny nifamahofaho :-) Ny olana goavana dia ny internet tsy misy ao antrano... Eto Italia mantsy ny tena e. Tahaka ny any Afrika ihany... nanova compagnie telephone dia miandry ny rariny aloha vao misy internet. Mikatso daholo izay tsy hikatso.

[tohiny efa alina be] Hmmm... tonga aloha ny connex ato amin'ny birao iray. Au moins misy azo ampiasaina ka dia tohizako ihany ny resabe. Fa tsy afaka manindry klavié mafy loatra ato fa manako be ity birao ity dia henon'ny any ambany sy ny any ambony. Ilay kavié koa am'zany ohatra ny machine à écrire lol.

[ratatoy indray]

Natao mariazy zandrinay faravavy tamin'ny asabotsy. Faly hono izy fa tanteraka ny faniriany. Tamin'ny asabotsy 24 febroary 2007 teo izany tao amin'ny Fiangonana Katolika Faravohitra... dia tao Ambanidia no natao ny koranam-pianakaviana. Nahafaly koa fa anisan'ny tonga nanotrona azy tao i Ny Eja nanolotra tononkalo iray nandritra ny fanaovan-tsonia. Dia nifokofoko nitomany hono izy nandritra ny fanaovan-tsonia :-) (donto tsss).
[ratatoy suite]


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2597

Leave a Reply

One Response to Nangingina ny blaogiko



  1. Visit ikalamako

    reveo njama ao aloha ry hery a, fombany io fa aza ampakarana tosi-drà an.



  2. Visit Su

    Dia arabaina izany. Tsy ianao tsy manana Internet akory fa ilay zandrinao nahazo tokantrano. Dia mirary tokantrano feno hasambarana ho azy.



  3. Visit dailynews

    Arahabaina marina tokoa.
    Dia ilay voninkazo tazominy sy ny tenany ihany koa dia tena tsara be.



  4. Visit Tokinao

    Mahafinaritra fa dia miarahaba azy tokoa Hery a . za koa aza mbô nangingina tatoato : namangy havana tany ho any :), ka tsy afaka mi-net mihitsy



  5. Visit pissoa

    Arahabaina izany ny zandrin'i Hery ... (ahoana moa ilay fiteny) ... ho arahin'izay te hanaraka, hihihi.

    mba gravy koa ilay hoe "donto tsss"