Kely sisa

Published on 04/11,2007

Andro vitsivitsy izay no nikotranako tanteraka ny blaogy.com mba hanavaozana azy araka ny tokony ho izy. Efa vita daholo amin'ny ankapobeny ny tena votoatiny fa mbola misy ihany ireo zavatra tsy vita... anisan'izany ny famerenana amin'ny laoniny ireo Endrika isankarazany izay efa nampiasain'ny namana. Ny anisan'ny mahafaly aloha dia nivoatra be mihitsy ny moteran'ny lifetype ka moramora kokoa ny manampy ny zavatra tadiavina. Tsy voatery mikitika ny "core" intsony aho fa misikotra amin'ny sisiny dia ampy. Ho mora koa noho izany ny mamaly ny hetahetan'ny namana mpampiasa ny blaogy.com.

Angamba raha be indrindra dia 3 andro sisa dia ho tafaverina daholo ny endrika rehetra sy ny plugins rehetra.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2733

Leave a Reply

One Response to Kely sisa



  1. Visit Namana

    Grazie.
    Na izay fikotrananao izay ihany aza ve tsy hahafa-po anay...
    Mirary soa



  2. Visit kally

    Dia mbola mamerina ny fisaorana foana ry Hery.Ny anay efa nahafapo anay foana izay nisy teto, hay mbola nampiana fanatsarana indray! misaotra e!