31 taona izay

Published on 05/29,2007

Feno 31 taona androany ny nanaovana batemy ahy. 31 taona izany izay no naha kristianina... na anarany fotsiny na tena izy... fa dia kristianina aloha. Isaorako ny ray aman-dreniko izay nisolo tena ahy tamin'izany fotoana izany ka nampiditra ahy tao amin'ny làla-marina. Vita ny adidiny dia ny mametraka ahy ao amin'ny lalana izay nahitany soa - izay rahateo no maha-Ray amandrReny azy - mandra-pahalehibeko. Nony lehibe aho dia anjarako indray ny miaina izany araka izay tratrako. Izay no fahazoako ny batemy atao amin'ny Zaza na dia mbola tsy misaina aza izy.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2946

Leave a Reply

One Response to 31 taona izay



  1. Visit xxx

    Tsara izany ! Joyeux anniv dia mahareta hatramin'ny farany ao amin'ny mahakristianina e :)