Tonga soa eto Afrika (1)

Published on 06/04,2007

Aza taitra loatra :-) Tena fanahy niniana napetraka io lohateny io hahafantaran'izay mamaky hoe aiza marina aho no monina. Tahatahaka ny ahoana ny tontolo manodidina ahy. Tonga soa eto Afrika.
Tsia... tsy nifindra monina aho akory fa mbola eto Italia ihany, saingy tiako hasehoko fotsiny hoe kaontinanta Afrikana i Italia. Tsy fanaratsiana velively (satria tsy ratsy fotsiny Afrika fa tsara koa) fa mba resadresaka sy eritreritra mandalo. Hisy fizarana vitsivitsy ity "Tonga soa eto Afrika" ity arakaraka ny fahafahako koa ity ny fizarana voalohany. Misy amin'ny dikany Italiana koa izy ity fa mbola tsy ofisialy ka aleo hiafina any ambadika any aloha :-)

Tonga soa eto Afrika 1 

Kaontinanta Vaovao AfrikaItalia, raha ara-jeografia no jerena  dia firenena farany Avaratra indrindra amin'ny Kaontinanta Afrikana (Jereo ny Sary). Ranomasina no manasaraka azy amin'ny Kaontinanta lehibe ka betsaka ireo iray kaontinanta avy amin'ny firenena Afrikana akaiky no tonga amin'ny lakana. Indrisy fa voatery miafina sy tonga amin'ny alina izy ireny noho ny mbola tsy mampalalaka ny fivezivezena eto Afrika. Angamba any aoriana any dia hisy karazana "Schengen" koa ho an'i Afrika ka ho mora ho an'ny rahalahy Afrikana avy any @ kaontinanta lehibe ny miditra amin'ireo firenena afrikana hafa tahaka an'i Italia, Comores, Madagasikara, Maurice sns.

Ankoatry ny lakana dia misy fiaran-dalamby koa azo idirana eto Italia. Tahaka ny firenena Afrikana rehetra dia Tsikitsiky no mandray anao eny amin'ny Gara rehefa mividy tapakila. Indrindra moa raha tsy mahay teny Italiana ianao. Ny Italiana mantsy tahaka ny Afrikana maro dia dia vitsy no mahay teny hafa ankoatry ny teniny. Tsy misakana ny fifaneraserana anefa izany satria ny Italiana no mponina anisan'ny mampiasa baiko amin'ny tanana indrindra... ka ho azonao hatrany izay lazainy. Raha sendra mijery film italiana ianao, ohatra, dia na vonoina aza ny feo dia mbola azonao ihany ny resaka :-)

Toa izao ary ny fiaran-dalamby eto Italia.

fiarandalamby

(Mbola hitohy) 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2976

Leave a Reply

One Response to Tonga soa eto Afrika (1)



  1. Visit karinah

    Hitako no madiditra ohatran,ny afrikana! lol
    ny frantsa Reny malala sisa! lol



  2. Visit pissoa

    Otran'ny le tany Cape-Town marina le fiaran-dalamby sy ny lalany miamboho ilay tendrombohitra ! lol

    Miandry be ny tohiny aho !



  3. Visit ikalamako

    iny leçon d'histo-géo iny indray no tsy hitako k'ity !
    Aza dia mamely mafy an'dr'i rainilita re ry hery, fa mahasoa ihany ange ny mifindra-monina @ tany toy ireny, tsy dia mamely ny dépaysement, ala ridana daholo ny fiainana dia vita, ny gouvernement de droite-ndrizareo mivovò
    fotsiny fa tsy manaikitra, lol
    Alefaso indray ny tapany faharoa hihomehezana sy hosaintsainina, avy eo anefa manjary misy exodus raha be publicité ianao an!



  4. Visit namana

    i Hery koa mampihomehy amin ity resaka ataon' i Hery