Mba hoe higrevy hono (Tonga soa eto Afrika 1bis)

Published on 06/07,2007

Mbola fiainana eto Afrika ihany (eto amin'ny firenena iray atao hoe Italia).
Tahaka ny tany andalam-pandrosoana mandroso rehetra dia mba misy grevy koa eto Italia. Afak'omaly hariva ary dia nanambara grevy hanoherana lalànan'ny fanalalahana ny mpivaro-dasantsy. Higrevy mandritra ny 3 andro hono. Be dia be avy hatrany no nilahatra lasantsy tamin'iny talata hariva iny. Tamin'ny ora farany anefa dia nandefa vaovao ny avy any Sicile fa hoe nofoanany ny grevy any aminy... tsy nifanaraka ny mpigrevy. Namaly ny teto Roma hoe raikitra ny grevy eto an-drenivohitra. Omaly anefa dia tsy naharitra ry zalahy mpivaro-dasantsy fa nivarotra ihany. Tsy hihinan-kanina ve moa? Itovizan'ny firenena Afrikana rehetra io ka tsy mahagaga raha izany no nitranga teto Italia. Rehefa misy grevy dia azo antoka foana fa hisy ny service minimum maximum ka tsy hampihontsona ny mpitondra mihitsy. Tsetsatsetsa tsy aritra iny.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=2997

Leave a Reply

One Response to Mba hoe higrevy hono (Tonga soa eto Afrika 1bis)



  1. Visit karinah

    fa tsy mety tapitra mihintsy ve izany grevy any italia afrika izany eh! lol ; mahereza dhl izany,tsy mora io raha raika io, mmmhh..



  2. Visit Tokinao

    Ilay "service maximum" re no tena mampiomehy ahy a! ireo izany ilay olona tsy mba miaraka amin'ny be sy ny maro a! hihihi



  3. Visit ikalamako

    lol !



  4. Visit karinah

    Tokinao> lol