Ny "Jesoa" dia DIEM fa tsy Katolika

Published on 08/02,2007

Mamita ilay takelaka baiboly aho amin'izao fotoana izao (isaorana be dia be i belle nanome sy nanitsy ny andininy manontolo). Dia hitako ao fa "Jeso" no fanoratra ny anaran'i Jesoa ao anatin'io baiboly io. Amin'ny boky fivavahana tranainy indray dia "Iezo" no fampiasa.

Ny "Jesoa" kosa  dia ao amin'ny Testamenta Vaovao DIEM no ahitana azy ary napetraka tamin'ny Baiboly Katolika natonta taty aoriana sy ny Boky fihirana sy fivavahana vaovao. Ny tiana holazaina eto dia tsy fampiasan'ny Katolika hatramin'izay io "Jesoa" io. Fa noho ny fironan'ny Katolika hanaraka ny DIEM dia nanjary nampiasaina ary raiki-tapisaka ny "Jesoa". Hita fa efa manaraka izany tsikelikely koa ny fiangonana hafa. Ary ny hirariana dia mba ho toa ny fiteny hafa, toa ny frantsay sy ny anglisy sns hoe teny iray ihany no iantsoana an'i Jesoa na inona fiangonana na inona fiangonana.

Zavatra madinika kanefa ahatarafana zavatra. 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=3208

Leave a Reply

One Response to Ny "Jesoa" dia DIEM fa tsy Katolika



  1. Visit kristiana

    iesouah: mpamonjy. vita tompoko



  2. Visit miharisoa

    ilay s ve tononina hoe CH sa SS?



  3. Visit dadarabe dadarabe

    Mahereza amin'ny asa masina é!
    DdRb



  4. Visit hery

    kristiana> tsy misy u amin'ny teny gasy :-)



  5. Visit Kristianina

    Ka efa tsy nadika hatrany am-pihandohana moa izy ity, ka lasa Jeso mpamonjy no niafarany, karazana pleonasme.
    Araka ny lazain'i Hery anefa hoe zavatra madinika nefa hahafantarana zavatra dia mazana tsy dia ny tian-kambara no mampiady hevitra, fa ny mba te hihavaka sy hankatoavin'ny sasany...
    Ny anarana koa anie miha-fohy rehefa miha-mifankahazo ny olona e, sa tsy manaiky izany ianareo?
    Mba dinio moa ny hihafaran'ny naarana hifampiantsoan'ny mpinamana na ny mpifankatia e...
    na ny ao an-trano koa aza, mazàna lasa anaram-bositra aza
    Ka mampaninona anareo moa raha Ra-Zezo no hifampiantoanay sy Lery



  6. Visit DotMG

    Izaho izao vao mandre hoe Jesosy, ka olona mipetraka eto @ Tanàna ihany no manonona azy, dia efa mieritreritra hoe sekta izany na mpiandry. Ny FJKM koa mantsy rehefa mamaky baiboly ao am-piangonana dia Jesosy no misoratra ao (mbola baiboly protestanta no vakiana) saingy Jesoa kosa no amakiana azy.