P. Paul-Louis: ilo tsy very

Published on 09/06,2007

P. Paul LouisTontosa ny fandevenana an'i P. Paul-Louis. Napetraka ao amin'ny fasan'ny Zezoita ao Tiburtina izy. Nisy maromaro ihany izahay Malagasy teto Roma no tany, ary nisy vazaha vitsivitsy koa. Koa satria toerana tsy azon'ny fiarakodia tsotra naleha ny toerana namoahana azy dia nakan'ny Zezoita fiarabe iray izay Malagasy te handeha handevina.  Nohiraina teny an-dalana ny hira sasany izay tena nahafantarana azy "Ahiratray ny masonay", "Jesoa Kristy" (Nanjohy iny lalana iny). Tsy afaka tao antsaina ny teny nambarany, indrindra ireo hafatra izay toa efa napetrapetrany tamin'ny lamesa farany niarahana tamin'ny tamin'ny volana jiona. Mandalo tokoa ny olombelona.

Betsaka ny mamy navelan'i P. Paul-Louis. Samy mahatsapa an'izany izay nifanerasera taminy. Ny anisan'ny tsapako dia ny nahatafatsangana ny Aumonerie Malagasy eto Italia izay izy no Aumonier voalohany. Dia ny toriteniny manaitra ny ati-fanahy ihany koa.

Ilo tsy very ao amin'ny tsirairay izany. Mba ho maty namela mamy tokoa izy. Hoy ilay mompera namaly ny teny fampiononana hoe "Nozarazarainy tamintsika tsirairay ny fony... ny fitiavany, mitoetra ao am-pontsika ny zavatra nataony... koa ny fampiroboroboana izany no fahatsiarovana lehibe mendrika azy."

Mandria am-piadanana. 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=3342

Leave a Reply

One Response to P. Paul-Louis: ilo tsy very



  1. Visit ikalamako

    na dia ilay toriteniny tsy mampatory fa mahaliana sy somary katsikana izay ihany dia efa nanintona ny fon'ny rehetra taminy.
    Eo koa ny herim-po sy herin-tsainy niady tamin'ny aretina mitaiza azy nefa tsy mba hita taratra teny amin'ny endriny mihitsy. Mihaino ny fitantaran'ny sasany momba ny toe-pahasalamany sy ny tantaram-piainana tao am-piangonana aho vao gaga fa hay izy nanana hazo fijaliana toa izany !
    Izay foana hamerenako hoe afaka mirehareha isika malagasy nanana azy. Misy namana iray nivazivazy hoe tokony hovangiana koa ianareo serasera fa izy no deban'ny serasera tany Dago raha lehiben'ny Sekoly ambony momba ny serasera tao amin'ny Kolejy Masina Misely... lol



  2. Visit Tsiky

    Dia nalahelo toko ny tena nahare ny nahalasanan'i Père Paul Louis.
    Atao ahoana fa fiainana izany.
    Misy namako niteny tamiko raha nalahelo mafy aho ny andro naharenesako ny vaovao, hoy izy: ianareo no vavolombelon'ny asa nataony, tsy very izay nimasoany fa ianareo izao no fanilo.
    Dia tena marina tokoa, fa nipaka hatrany anaty fara aina tany ny hafany t@ torinteny tao @ Ny tenin'ny Tompo.

    Hono hoy aho ry Hery efa namoaka CD ve i môpera, ny mbola hanananay aty manko dia ilay K7 rose rose kely iny.
    Raha tany ka misy, aiza ny mety hahitanay azy eto Frantsa? Na afaka anafaranay azy.

    Misaotra.



  3. Visit Hery

    Tsiky> tena tsy arako ny momba ny CD fa angamba azo anontaniana amin'ny olona hafa.



  4. Visit Tsiky

    >Hery> Misaotra!