Ny Ainga - Revy mbola milay
Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny
tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran'ny hoe
populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto
amin'ity blaogy ity androany.Taloha
aho dia mba tia ny hiran'i Ny Ainga koa toa ireo tovolahy sy tovovavy
nitovitovy sokajy, saranga, taona, revy tamiko. "Revy milay"... izay
foana no malaza. Nanenjika ny rindran-kira natao tao Antananarivo.
Nanana horonam-peo K7 Ny Ainga. Ny antony angamba dia noho ireo hirany
izay mikasika ny fiainan'ny tanora nitovy taona sy sokajy tamiko
mivantana. Hamafisiko foana ilay sokajy satria misy olona tsy mety
tafiditra ao amin'ireo mpitia hiran'i Ny Ainga.
Ireo tsy tia ny tarika Ny Ainga dia mahita hoe tsy miova style mihitsy ry zareo. Izy mantsy no anisan'ny tarika malagasy miangaly "Country" ka ny ankamaroan'ny hirany dia toa hira amerikana tamin'ny andron'ny Western. Ry zalahy rahateo mampiseho izany amin'ny fitafy. Tsy ireny ihany anefa no hirain'i Ny Ainga. Anisan'ny tena nalaza sy heno tamin'ny radio foana ohatra tamin'izany ny "Tsy misy toa anao" sy ny "Ilay voalohany". Hira milamindamina fa nampihetsi-po an'ireo miala sakana. Nisy koa anefa ny hira tena Malagasy sy ireo hira politika tahaka ny "Veloranon'Iarivo". Ary ny hiram-pivavahana izay tonga hatrany am-piangonana, tahaka ny "Fo torotoro" sy ny "Dera sy laza".
Fa nandritra ny dia farany tany Madagasikara teo dia hita fa mbola "etsy sy eroa" (omniprésent mihitsy) ny tarika Ny Ainga. Mandeha anaty taxi-be na taxi-brousse ianao dia tsy maintsy misy foana hiran'i Ny Ainga. Ny sasany aza mihaino Ny Ainga en boucle. Amin'ny Radio dia mbola miverimberina ilay "Fitiavako masiaka" sy ny "Revintsika roa". Teny amin'ny RN1 sy ny RN7 izay nandehanako dia misy Afisy vitsivitsy milaza ny handalovan'ny tarika Ny Ainga. Ary angamba raha atao ny kajy dia ny tarika Ny Ainga no manao fampisehoana be indrindra, raha ny isany fotsiny no jerena, hatramin'izay 10 taona niforonany izay.
Raha ry mpikambana ao amin'ny tarika indray no asiana teny kely. Toa lany depiote indray i OM-GUI tamin'ity. Mandat faharoa izany io. I Patty, ilay feo voalohany, dia niala ary i Assinah sa Hasinah indray no misolo azy (tian'i zandrinay vavy be io). Ny hafa tsy haiko.
Jereo eto ny video 20 mahery misy hiran'i Ny Ainga
Jereo eto ny momba ny tarika ao amin'ny tononkira.serasera.org
Jereo eto ny hirany rehetra ao amin'ny tononkira.serasera.org
Jereo eto ny hirany azo alahatra sy henoina ao amin'ny radiovazogasy.com

12/03,2007, at 14:56
Visit Tsikisariaka ok Hery ! Fanadihadiana tena mahaliana. Ny Ainga hono ampihirain'ny Fitiavana, izay rahateo no filamatry ny tarika. Ngadona hafakely "country" ary maha-izy azy ny tarika. Tsy mahagaga raha tsy miova. Tsy ho an'ny adolan-tsento sy ny miala sakana ary ry zareo tanora ihany anefa fa ho an'izay manam-pitiavana rehetra. Ka eo amin'ny tononkira no ifampizarana. Ny ahy aloha dia roa ihany no mampihetsi-po ahy : - Sipako taloha : somary tenin-jatovo ilay lohateny fa ny tantara dia mampihetsi-po - Hampiaraka Ny hira hafa dia itovizako amin'ny maro toy ny Veliranon'Iarivo sns sns. Alefa ihany ry Ny Ainga a ! Dia misaotra an'i Hery
12/03,2007, at 20:03
Visit lap
Ilay "tampina ny dômy" no anisan'ny tena milay ny hiran-dry zalahy
Dia ilay eseky koa :p
12/03,2007, at 22:55
Visit simp
Tsy ankadifotsy ve ny hiran'ny tena malaza? :)
en passant, ny ankamaroan'ny mpihira rehetra no manao hira mitovitovy doly. Ny hevitro manokana dia tsotra fotsiny hoe nanao hira iray izy, dia nisy novaina kely dia nety natao hira hafa fotsiny... zany no fandehan'ny fikarohana :P
12/04,2007, at 09:58
Visit ikalakely
Hery,
avy nijery ny klipy (fa tsy slipy), dia hitako fa ilay manja foana iny tena milay
Tafiditra ao anatin'ilay sokajy amizay aho!!!
12/04,2007, at 12:01
Visit Malalason
slt dhl!tsy asiako resaka be fa ny hiran'ny Ainga rehetra dia tiako avokoa ary saika haiko ny ankamaroany toy ny "fiainako tantarako" sy ny "haiko foana ny mitia anao" singaniko manokana ilay "kozy vré" fa vré marina, ny fahalalana ny tantarany sy ny nindohany dia nanainga ahy ihany koa mba hamoaka ny talenta izay nananako izay hivoaka tsy ho ela ...ra sitraky ny Tompo