Alfa, Beta - Ancona, Bologna
Ny anarako dia anarana gasy (izay mbola tsy mahalala), koa manahirana be ny mitonona azy amin'ny telephone rehefa mangataka service na sahala amin'izany. Ho an'izay sahirana toa ahy dia ireto ny alfabeta telefonika (phonetic alphabet) izay fampiasain'ny olona rehefa manonona ny litera tsirairay amin'ny anarana.
Marihina fa samy manana ny azy ny isaky ny firenena ka ity aloha ny iraisam-pirenena dia avy eo etsy ambany ny an'ny eto Italia
| A= Alfa | B= Bravo | C= Charlie | D= Delta |
| E= Echo | F= Foxtrot | G= Golf | H= Hotel |
| I= India | J= Juliet | K= Kilo | L= Lima |
| M= Mike | N= November | O= Oscar | P= Papa |
| Q= Quebec | R= Romeo | S= Sierra | T= Tango |
| U= Uniform | V= Victor | W= Whisky | X= X-ray |
| Y= Yankee | Z= Zulu |
Ny an'ny Italiana kosa indray dia
| Ancona | i lunga/jersey | Savona |
| Bologna | Kursaal | Torino |
| Como | Livorno | Udine |
| Domodossola | Milano | Venezia |
| Empoli | Napoli | Washington |
| Firenze | Otranto | ics/xeres |
| Genova | Padova | York/yacht |
| Hotel | Quarto | Zara |
| Imola | Roma |
Anisan'ny nahataitra kely ahy ny nahita ny andry zareo Britanika izay misy hoe M = Madagascar.
| Amsterdam | Jerusalem | Santiago |
| Baltimore | Kilogramme | Tripoli |
| Casablanca | Liverpool | Uppsala |
| Denmark | Madagascar | Valencia |
| Edison | New York | Washington |
| Florida | Oslo | Xantippe |
| Gallipoli | Paris | Yokohama |
| Havana | Quebec | Zurich |
| Italia | Roma |
Ny anarako izany dia
Roma - Ancona - Kursaal (na cappa) - Otranto - Torino - Otranto - Ancona - Roma - Imola - Savona - Otranto - Ancona
Hotel - Empoli - Roma - Imola - Napoli - Imola - Ancona - Imola - Napoli - Ancona
Kay le...
01/07,2008, at 13:58
Visit ikalamako
Hotel Imola, Hotel Imola,Hotel Imola !
01/07,2008, at 17:40
Visit pissoa
Misaotra ry hery a. Raha ny anarako no atao an'io a --- atoandro ny andro vao votonona, hi hi hi.
Fa ity hono tena nisy (ozizy ilay boky fianarana tsy maitsy nondanako taloha - hi hi)
In a hotel of Paris
- My name is Gear (vakio amin'ny anglisy)
- Pardon?
- Gear, dshii, ii, ay, are.
- Mr Jiea (vakio amin'ny frantsay)
01/10,2008, at 11:32
Visit sazykely
nyahy ary vao maika loza kou, raha voatery epeller-na oatran'io, ngamba ozy le olona minatso oe aokizay fa lany ny credit ko lol
fa za lou ndraindray tsy maintsy manao anreny iany refa miresaka am vazaha e fa tsy nahalala ny fissian'ireo za na dia izany aza misaotra e
01/10,2008, at 12:16
Visit sazykely
hihihi raha ny anah ngamba n atao oatran io an loza be ts roa amantany
fa za anefa refa mieny ami vazaha ny anarako de voatery atao oatra zao iany de ze teny tandrify nyvavako no teneniko fa ts mbola nahay ny fisian io za
misaotra betaska anao
oatranoe miverina mianatra abd zany e lol
01/10,2008, at 19:11
Visit ikalakely
tratry ny taona ny sefo an,
dia mirary zava maro ho an'ireo tetikasa be dia be tanterahanareo,
Manakasitraka e
Dia misaotra amin'ilay delta sy omega ary alfa, e
01/11,2008, at 16:56
Visit Tokinao
Tratry ny taona ny oebmestra sady mpandrindra ô :-)
@ aeronautique koa moa dia io "international" io no fampiasa. Ary io an'ny anglisy io no nampiasain'izao tontolo izao talohan'ny années 50. Zany hoe : mba nalazalaza iany kay i Mkara ity taloha kano :).
pissoa: ilay "G" sy "J" aloha dia tena mora mifamadika tokoa e