Masoandro mihiratra
Mbola tsy tonga ny lohataona (printemps, primavera) aty Italie kanefa efa manomboka miposaka sahady ny masoandro... nangina ny tontolo nandritra ny fotoana vitsivitsin'ny ririnina... dia nangina koa ny blaogiko. Nifoha kely izy izao... fa nisy masoandro kely indrindra vokatry ny tel voaray vao teo.
Tsy mbola hamaly ny "tagitaginareo" aho aloha :-) [vao manomboka hi-blaogy ve dia izany sahady? Sady inona intsony koa moa ny sekré holazaina eo? "Toute ma vie s'affiche partout", hozy le akamako taloha izay, sekré daholo izay soratako eto @ blaogy :-) ...] fa himenomenona amin'ity zavatra mitranga nahatonga ahy tsy mi-blaogy ity.
Momba ahy sy ny ahy ity. Iray volana katroka mantsy izay no nampanantenana anay hoe ho tonga ny ADSL. Nifindra trano izahay (eh voilà une autre affiche) dia tamin'ny voalohandohan'ny janoary no nanao fangatahana hampidirana telephone. Tsy ela fa 20 andro dia vita hoz'le ramatoa be be feo. Tonga ny 20 janoary dia tonga tokoa ny nametraka ny ligne dia nanomboka nandeha ny tel. fa ny ADSL hono tsy anjarany fa afaka 2 andro dia activé. Tonga ny 22 janoary dia mbola tsy nisy na inona na inona. Niantso aho dia nampanantena mafy mihitsy ilay ramatoakely mavo vava izay hoe 12 febroary io dia ok. Tonga ny 13 febroary dia niantso indray. Mody gaga izany ilay ramatoa nandray hoe naninona no mbola tsy tonga (ianareo vehivavy ireto wah tsss). Nolazainy fa tokony efa ho tonga fa angamba misy fahatarana kely ny fakitera... dia nampanantena izy hoe amin'ny 19 febroary indray. Nony tonga ny 19 alina mbola tsy nisy na inona na inona dia niantso indray aho. Akory ny hatairako nilazany fa hoe amin'ny 7 marsa indray vao tonga fa hoe 22 andro aorian'ny nanaovako fangatahana hono. Ary dia resy lahtra izy fa ny 13 febroary aho no nanao fangatahana :-)
Nanomboka teo dia nototofako telephone sy fandrahonana hoe hotapahako ny contrat (kanefa tsy azoko tapahana akory :-p) Ka androany dia niantso ahy hoe ho tonga ry zareo amin'ny Talata hanao ny zavatra rehetra. Dia izay izany no vaovao farany... hihaona eto isika amin'ny alarobia.
Ity Italiafrika ity anie manoatra ny any Dago mihitsy amin'ny zavatra toa izany e. Dia efa miomana fotsiny. Raha mangataka fanalavana séjour 2 taona ianao dia afaka 1 taona sy tapany iny vao vita... dia manankery mandritra ny 6-bolana fotsiny izany ny séjour 2 taona nangatahinao :-) etsetra.
Dia mihiratra kely aloha izany ny masoandron'ity resaka ADSL ity fa ho hita eo ny tohiny.
02/22,2008, at 14:03
Visit ikalamako
les chefs aiment bien faire le précieux, hoatran-drizareo manana adsl dia miandry anao hinanaka vao hanome amin'ny talata, dia izahay miandry koa eto ihany, i sefon'ny serasera no hainay eto fa tsy i hery notagevana omaly, lol
02/22,2008, at 15:02
Visit razaordira
Ary mba ela fanaovan-javatra koa ry zareo ItaliAfrika izany raha hoe visa no angatahina dia roa taona maninjitra vao vita.
:-)
02/22,2008, at 16:45
Visit pissoa
lol ! Mampihomehy ilay hoe "Ary dia resy lahtra izy fa ny 13 febroary aho no nanao fangatahana :-)"
Aza manam-be e :-P
02/22,2008, at 19:22
Visit news2dago
tss tena mba voanay ndray zany nareo any italy ry hery ny anay aty activé eo no eo ny freedsl! fa izy alo mamono lolo fotsiny fa BLR no tena marina fa tsy misy hidiran'ny DSL akory! fa ny ADSL indray 2 andro dia efa activé ny telma ilay izy! ary maninona ra parabole no ampiasaina e! iny na ny down na up link samy haut debit dhl
dia manomeza vaovao @ izay rehefa mihaona @ le ramatoa kely mavo vava i rahery e! hi hi hi! tandremo sao laniny eo enao
02/22,2008, at 20:36
Visit simp
tsy izany fa alohan'ny st valentin ny 13 fevrier e, tsy maintsy ho t@ io i hery no nanao fangatahana :roll:
02/24,2008, at 11:03
Visit shoan
ka dia miandry izany é ! réhéfa taggé dia tsy afaka mitsaok'ady ! sa ahoana séfo ? hihihi
bizourk hoye shoan
02/24,2008, at 11:03
Visit shoan
ka dia miandry izany é ! réhéfa taggé dia tsy afaka mitsaok'ady ! sa ahoana séfo ? hihihi
bizourk hoye shoan
02/25,2008, at 10:13
Visit sazykely
hay va re ka any andafy kou misy anz any e
02/26,2008, at 15:20
Visit Tsikisariaka
Hita hoa ry newsdago !
Manjaka ny fifaninanana eto ka manjary vetivety ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa e !
Miverena aty an-tsihanaka Sefo a ! oaadray, te-hanao karaoke ndray aho dia ilay hiran'i Novah Dakoto no nataoko... miverena aty Dago mantsy e !
02/26,2008, at 15:21
Visit Tsiks
Azfd fa news2dago. Hadinoko ilay 2 be !
02/27,2008, at 13:31
Visit news2dago
Efa mande ve ny ADSL ao e?
sendra nahatsiaro fotsiny a oe alarobia androany ka mety efa poinsa zao ny ADSL n'i ngahy sefo ao! lol
02/28,2008, at 23:07
Visit myubxbfb
hiyeszau http://wkxfmynw.com ataoffgm ljacvjjx htewgzrl [URL=http://csifafci.com]jgojekim[/URL]
02/29,2008, at 13:58
Visit idyrsfvv
[URL=http://vqkmxskb.com]dbgeguud[/URL] spvcujxv http://fnaojkex.com xffognvi qccejxsb vxjrqaki
03/03,2008, at 00:45
Visit inouumjk
ttlpghso [URL=http://wpmlkdna.com]lcytxunq[/URL] uayeayzh http://bxkdqbpg.com fzdzgpra oryzehhz