Vehivavy: Tsy zo ny manala zaza
(vokatry ny tsy fisian'ny internet ara-dalàna ao antrano dia izao ity vao lasa)
Miarahaba ny vehivavy rehetra aloha :-) ary mirary soa... mifalia sy manararaota tokoa rehefa mba omena andro iray ao anatin'ny taona. Fa amin'izao andron'ny vehivavy izao indrindra dia misy resaka mandeha mafy mihitsy eto Italia amin'ity resaka fanalan-jaza ity. Zon'ny vehivavy hono izany. Tenan'ny vehivavy io ka anjarany no mieritreritra izay hataony. Tokony ho avela malalaka tsy misy olana hono ny fanalan-jaza. Ny nahatonga ny olana mantsy dia ny nisian'ny fidiran'ny polisy, efa elaela izay, tamin'ny hopitaly iray nisy fanalan-jaza "ara-dalàna". Taorian'izay dia tonga dia nidina an-dalam-be ny vehivavy sasany nilaza fa tsy tokony hokitikitihana ny zony.
Dia hoy aho hoe, tsy afaka midina an-dalam-be mantsy ilay zaza ao am-bohoka. Tsy afaka milahatra miantso hoe "aza kitikihina ny zonay hiaina sy ho teraka".
Koa amin'izao andron'ny vehivavy izao dia tiana hamafisina hatrany ilay hoe "Ny fahafahanao dia mijanona eo amin'ny fetran'ny fahafahan'ny hafa". Tsy afaka hanao ny rehetra raha toa ka mikitikitika ny fahafahan'ny hafa koa.
Tsy hiditra amin'ny adihevitra hoe efa olona ve sa tsy olona ny zaza ao an-kibo... fa ny ho avy no jereko. Raha toa ka esorina ny zaza, na mbola tsy olona na efa olona, dia tsy ho olona mihitsy izy amin'ny ho avy. Izay maha-olona amin'ny ho avy izay indrindra no tsy voahaja. Raha manaraka ny lojikan'io fiainana ho avy io dia tsy misy azo ialana bala mihitsy, toa ny hoe tsy ho voataiza, sahirana, tsy mbola te-hiteraka...
Ny vaha olana hany tokana raha te hanala zaza... dia tsy manamboatra zaza. Tsy manao firaisana.
Efa misy ve ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zaza ao am-bohoka?
(Nalefa amin'ny alalan'ny w.bloggar araka ny fanazavan'i fraz azy ato)
03/11,2008, at 09:04
Visit news2dago
tena miomba hevitra @nao aho @ io resaka iray io! ary ilay ray nanamboatra koa ary sao dia tokony hejehana koa fa tsy vitan'ny vehivahy irery koa anie ilay izy ry hery e! sa ahn ozy nareo!
mijaly koa nareo zany @ le adsl ka!
03/11,2008, at 09:52
Visit ikalamako
ny zaza mety ho sembana - ary voaporofo tamin'ny fitarafana ari-fomba no tena iadiana eto fa tsy ho an'izay te hanao fotsiny nefa tsy mahatanty ny vokany.
Izay no mahatonga ilay resabe. Raha hitanao fa ho zaza sembana kosa, nahoana moa no kirinao ho avoaka ? Tsy vao mainka mamono azy ve ny manome azy fiainana tsy zarizary, i.e. hiantehitra amin'ny olona foana, taizam-panafody lava, tsy mba misy izay ho aviny antenaina - asa izany raha tena fiainana fa ny tena matanjaka be ara-batana sy ara-tsaina aza mbola mahatsiaro fijaliana.
Mino aho fa manana safidy tokoa ny vehivavy hanome fiainana vanona ho an'ny zanany ka aza heverina ho hafaliam-pony ny hanala iny raha toa ka efa voalaza am-boalohany fa ho sembana ilay zaza.
Ilay ady amin'ny hoe "zo ny manala zaza" dia miankina indrindra amin'ny toe-javatra misy.
Ny resak'i Hery eto dia mitombina ho an'ireo nanao fa te-hanao, fa andraso aloha i Hery ho vehivavy ka rehefa avy manao examen du liquide amniotique dia tonga ny valiny fa ho sembana au 70% ilay zaza izay vao milaza ny hevitr'i Hery, satria na ahoana na ahoana i Hery lehilahy, tsy mitovy mihitsy ny sentiment-n'ny ray sy ny reny eo anoloan'ny toe-javatra toa izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny sentiment aho fa tsy hiteny ny fiasan-tsaina sy ny ady tsy maintsy atrehana ara-pitaovana.
Ny ahy zavatra roa no tsy mba hiadiako hevitra satria tsy mipetraka amin'ny toeran'ilay olona aho : ny resaka fanalan-jaza sy ny euthanasie (il faut être dans la peau de la personne hoy ny fiteny), ka moramora ihany amin'ilay fitsarana.
Izany tsy midika fa tsy marina ny tenin'i Hery an.
Matoa milahatra an-dalambe ny vehivavy dia satria tsy fitakiana amin'ny ankapobeny no ataony, fa tokony ho jerena ny cas hoy izy vao tsaraina sy omena tsiny ny vehivavy manala zaza (indrindra aty amintsika aty afrika ry Hery, tsy misy structure na fanampiana avy amin'ny fanjakana hanampiana ny vehivavy manana zanaka sembana fa dia adidinao hatramin'ny farany na ny vola lany amin'ny fitsaboana rehetra na ny fitadiavana olona hanampy anao ao antrano.
Ento mora ihany ny hafanam-po hanameloka.
03/11,2008, at 11:08
Visit Hery
1. Tsy sembana daholo ireo zaza nesorina. Vitsy mihitsy angamba no nesorina satria 70% sembana. Ary ireo voatery nanala dia tena nalahelo mafy mihitsy fa tsy sitrapony. Noho izany dia excuse hanohanana an'ilay hevitra fotsiny io resaka sembana io. Izany hoe tsy ny olona bevohoka sembana mihitsy no milahatra eny an-dalana mitaky hoe avelao izahay hanala ny zanakay... ny azy aza efa tsy fidiny.
2. Na dia misy aza ny fahasembanana, ny olona olona ihany. Raha tena sembana ò 70% izy dia kely ny survie... ka aleo ho faty ho azy. Misy ifandraisany @ resaka euthanasie koa io. Hoe raha tratran'ny accident ka lasa tahaka ny sembana ve ny olona iray dia tokony hovonoina?
3. Marina ilay voalazan'ikalamako hoe tsy eo @ toerana dia mora ny miteny. Misy tokoa ireny zaza nariana nanana chance ho velona tampoka ireny no manozona mihitsy ny reniny nanary azy. Izay tsy nanana chance ho velona moa dia tsy haiko hoe aiza izy no hanozona. Ary raha mipetraka amin'ny toeran'izy ireny koa?
03/11,2008, at 11:38
Visit ikalamako
tsy mba handraisako anjara hoy aho ny fombàna na fanamelohana ireo lohahevitra roa voalazako ireo fa raha sanatria tonga amiko tsy haiko mihitsy izay ho fanapahan-kevitro - fa izaho RAHA hilahatra (saingy tsy milahatra aho noho io antony io) tsy hilahatra hanome vahana ny rehetra te-hanala zaza fa hanohana ny hoe "jerena akaiky ny antony hanalan'ny vehivavy iray zaza".
Satria raha izao tenin'i Hery izao dia meloka daholo izay manala zaza, kanefa raha toa hoy aho misy antony tena mahatapa-kevitra ny vehivavy sy ny vadiny, tsy afaka miditra lalina amin'izany aho.
Ary ireo bevohoka noho ny viol dia ahoana ? mipetraha koa ianao amin'ny toerany. Te-hanao aminy eo ve hoy ianao ? aoka re ! Tsy maintsy aterany ve mba hahitany ny tontolon'ny fiainany ny endrik'ilay tsy valahara nahabevohoka azy ?
Tsy sahy mitsara be fahatany aho rey olona fa ny conscience-n'ny tsirairay no mitondra an'io. Toy ny miaramila mankany an'ady hamono, dia mbola tsininay vehivavy ve ? :-P (samy mamono koh ! sa resaka tsisy idirany ? sa tsy zony fa adidiny ?)
Tsongoy fon'olona tsongoy fon-tena...
03/11,2008, at 11:40
Visit ikalamako
sady tsisy bevohoka tamin'ny karoty (ialako tsiny ilay expression) ka tsaratsara kokoa angamba ny lehilahy raha tsy dia mamely mafy loatra :-P fa mba hijery izay cas iray izay koa !
03/11,2008, at 11:55
Visit sipagasy
Ary raha ataontsika hoe tsy zo ary fa safidy e! safidin'ilay vehivavy ny hanome aina ilay zaza 'raha ho velony....' excuses hoy i Hery teo, mandia tany koa anie isika ka mety solafaka e!!!! fa ny maha solafaka moa iza hihihih tsy ianareo lehilahy ve e! koa mba mila mandray andraikitra koa izany fa araka ny tenin'ikalamako teo hoe tsy bevohoka t@ karaoty akory ilay vehivavy....., fa rehefa avy eo kosa tsy tokony atao hoe lalan-kitan-kisoa akory annnnn, mila mitandrina, efa betsaka ny fiaro mety atao @ tenan'ny vehivavy,: sterilet, pilina, fimailo... e! mba mitandrina @ izay.
03/11,2008, at 12:38
Visit simp
ikalamako,
ekeko fa tsy misy olona mitady olana izany fa hoy aho hoe ny olana natao ho sedraina fa tsy natao hitsoahana.
Marina ihany koa fa responsabilite an'le dadan'le zaza kou le izy fa izany akory tsy midika fa ra tsy hanao izy dia tsy hanao koa enao. Mifankaiza moa izany ilay olona melohanao sy enao @ izay fotoana izay??
Marina ihany koa fa vatanareo io, ary misy ny cas exceptionelle hoe tena hijaly be le zaza ra teraka ihany kanefa mifankaiza moa ianareo sy ilay zaza ra izany. Tsy zony ve ny hiaina ary tsy vatany ve no hovonoina?
Resaka conviction personelle na hoe finoana ananan'ny tsirairy io fa na @ maha olombelona fotsiny aza, na hita fa impossible aza, omeo azy ny chance izay nomena anao.
sipagasy,
tsy voatery miditra be @ le hoe lelah vs vevavy le resaka fa hoy aho hoe aiza ho aiza, mampitovy zo anareo @ lelah tokoa ve ny fanalana zaza? tsy aleo ve tsy mitovy zo ra hanaovana zavatra ratsy ilay zo takiana... asa tsy haiko, lasa course @ fahaverezana ndray le izy :)
03/11,2008, at 14:36
Visit maintikely
za aloha conviction personnelle contre à 100% @fanalana zaza hafa tsy ny hoe IMG sy ny hoe victime de viol ilay ramatoa.
Sinon, olon-dehibe no nanao firaisana dia tokony mi-assume daholo.
pendipendina ery koa maninona no tsy nahay niaro-tena!!!
ny vehivavy no concernée voalohany indrindra satria nanaiky ianao izany dia tokony ho responsables avy eo.
Ny lehilahy koa toraka izany.
Io izany responsabilité e! matoa manao acte iray dia tokony hahay hi assumer à 100%ny conséquences-ny.
03/11,2008, at 15:02
Visit ikalamako
:-D
za zao saika hanao post hoe "tsy manana zo hiray amin'ny vehivavy ny lehilahy"
Sure à 100% isika fa tsisy intsony io blem io.
Malheureusement tsara sy matsiro ilay firaisana ara-nofo (sorry le terme), ka hatramin'ireo efa nivoady teo anoloan'ny tany sy ny lanitra tamin'ny voeux de chasteté aza mbola roboka, lol.
Samy mi assumer, d'accord aho, fa misy ny IVG no hi-assumer-ny azy. Satria misy koa ireo miteraka fe-miteraka (satria tsy zo ny manala zaza), hitako hoe pire noho ny manala satria tena torture à long terme, ka ireny no tena tsiniko noho ireo nanala (azafady raha nahatohina).
Tsisy afaka hitsara izay niseho tamin'ny fotoana niraisana, ka tsisy afaka hitsara na avec consentement des deux parties koa ilay izy. Ny zavatra marina dia ny hoe "ny vehivavy dia kapaina hita fery", indrisy, ka voaheloka foana na dia voasary mamy niarahana namaofy aza.
Izaho tsy miteny hoe conviction fa hoy aho hoe conscience no mitondra an'io. Ary tadidio fa tsy moramora ho an-dravehivavy "diso tsy manana zo" ny nandalo ilay 2 volana teo anelanelan'ny fotoana nahalalany fa tsy tonga ny fotoanany ka hatramin'ny nanapahany hevitra fa hoesoriny ilay izy, ary indrindra koa ravehivavy izay tsy maintsy handray fanapahan-kevitra hentitra ny momba ilay zaza izay ho sembana raha teraka soa amant-tsara.
Ny tsy ekeko amin'ilay post-n'i hery ange dia ilay izy catégorique be e ! Fa izaho tsy mandà hoe qui casse paie.
Izaho tsy féministe ka karazan'itony mitroatra raha kitihina ny vehivavy. Izaho hoy aho TSY SAHY MITSARA amin'ny titre ngezabe hoe "tsy zo ny manala zaza", satria raha tonga @ tenin'i simp hoe omena chance ilay zaza, raha fijaliana kosa no chance omena azy, misy reny tsy sahy hanome azy izany fa aleony tsarain'ny olona ratsy izy (izay tsy diso aminareo no hitorabato azy). Donc conscience ilay izy.
03/11,2008, at 15:42
Visit simp
ikalamako,
Na hoe chance fijaliana aza no omena azy dia efa chance izany. Efa chance ahafahany mandray ny fanampahan-kevitra ny momba azy izay...
Azoko ilay principe hoe aleo manana safidy ny tsirairay ny @ hataony. Tsy manohitra an'zay ny fahitako ny lahatsoratr'i hery fa plutot manaitra sy manitona ny sain'ny "vehivavy sasany" hoe tena rariny ve izany ary izany marina ve no ilainy?
Zany hoe fanetanana le izy... ny fazahoako azy an :)
03/12,2008, at 14:00
Visit tsikisariaka
Misaotra Sefo. Manohana tanteraka sy miombon-kevitra aminao aho. Aleo mihitsy tsy manao zaza rehefa tsy mila azy e !
Ny olana mantsy dia ity mafy loha ny tiatia raha... efa hoe isao ny daty, fa revon'ny fiainana hono ka tsy mahefa sy diso daty... (ohatra amin'ireny mpanampy io : tsy manan-draharaha afa-tsy ny mampitombo taranaka, avy eo anefa mimenomenona hoe : tsy nisakafo izahay, tsy misy ny nono, mijaly ny zazakely...)- izaho mantsy tsy mamporisika amin'ity fanabeazana aizana amin'ny fanafody ity. Te-hanao mpampianatra aho... hampianatra olona tsy hanala zaza fa hanoro azy hoe toy izao ny fanisana andro sns sns, mba alefaso ny pub fa izaho vonona. Misaotra Tompoko
03/12,2008, at 18:29
Visit ikalakely
Dia ialan-tsiny ary fa za dia anisan'ny miady mba hanana "safidy" fa tsy ZO amin'ny fanalan-jaza ny vehivavy. Asa ianareo na efa namaky ny lahatsoratr'i kisifi sy mialysenfout momba io resaka io.
Angamba ilay teny hoe Zo no olàna eto, araka ny notenenin'i ikalamako. Izany Zo izany mantsy ohatran'ny hoe tonga dia obligatoire na tonga dia "tsy maintsy mahazo" manatanteraka izay tiany ilay olona. Ka angamba ataoko hoe tokony hana-tsafidy hahazo alàlana hanala zaza ny vehivavy. Izany anefa tsy midika fa ilay vehivavy nilingilingy efa fantatra fa misy ny fomba mety tsy aha-bevohoka dia mbola hanala zaza ihany dia ho ekeko. Ary hono ho aho, ahoana moa no ahalalko fa nilingilingy iny vehivavy iny, na tena mijaly tokoa izy , na tena tsy ho voavelony tokoa iny zanany raha teraka. Noho izany aoka tsy hilaza fa 100% pour na contre ny fanalan-jaza satria au cas par cas io resaka io.
Rehefa misy vehivavy bevohoka tsy tonga anie izy dia eken'ny mpitsabo ny fanalany zaza fa mbola misy entretien lava be sy fandresen-dahatra ny hanohy ny vohokany e,
Hafa ihany koa ny fisehon'ny avortement amin'ny olon-dehibe (majeur) sy ny tanora (mineur)
Ny mineur ohatra dia matetika eken'ny mpitsabo indrindra raha tsy manan'olontiana na mbola manohy fianarana izy.
Efa betsaka ny hevitra niseho ary ahafoy azy dia andeha ataoko hoe somary mitanila mankany amin'ikalamako ihany koa ny hevitro.
Fa tiako hiverenana kely ilay soratr'i tsikisariaka hoe: tsy mahakaonty daty ary tiatia raha ka rehefa bevohoka vao hoe arovy aho sns...
O ry tsikisariaka o, tena tsy d'accord aminao kosa aho eto. Tsy misy zavatra sarotra toy ny mikaonty andro angamba, tsy misy zavatra tsy siora toy ny mikaonty andro angamba ary io ny fanabeazana aizana voamarika fa tsy ho voafehy indrindra. Ao amin'ny fiainann'y vehivavy (tsy haiko ianao na lahy na vavy, angamba vavy o?) dia fantatrao tsara fa miovaova na ho an'ny tenanao fotsiny aza ny fahatongavan'ny fandimbolanao (miankina aminn'y toetr'andron, ny humeur-nao, ny toe-batanao. Tsy ho cycle régulier mihitsy io à 15 ans, à 25 ans ou à 30 ans et encore à 40 ans. Hafa indray rehefa avy teraka, rehefa nanao firaisan maharitra. Ary ela ny vehivavy iray vao mahalala hoe efa cycle régulier amizay aho izao. Fa il suffit d'un rien dia mety miova io (mandeha vacances, reraka, stressé, nodidina, tsy salama) ka akory ataonao?
Manaraka izany matoa ve hoy ianao namorona pilina, sterilet sns na dia kapoty fotsiny aza ny manam-pahaizana dia tsy misy antony ao izay. Raha ampy tsy nahabevohoka vehivavy ny fanisan'andro dia ekeko ny hevitrao,
MAzoto ary ianao hampianatra ny olona hanisa andro, mazotoa ary fa ilay olona fotsiny dia efa mety tsy aharaka intsony izany, mila fantany tanteraka ny vatany, ny fiainany, ny toe-batany. mety hanontany anao izy hoe fa maninona ny kapoty fa maninona no tsy sterilet, no tsy pilina sns no ampiasaina... dia ahona hoy ianao mamaly azy! hoy ianao hoe tsy siora ve ireny? sa hoe tsy dia tiako loatra izy ireny? tsy azonao ampidirina mihitsy ny conviction personnelle anao amin'ny fanabezana aizana satria maro ny safidy izay mi protéger grossesse kokoa. Ny anjaranao dia manome ny toro làlana rehetra ahafahan'ilay vehivavy miaro ny tenany.
Farany, iza moa araka ny hevitrareo no manala zaza indrindra : tranche d'âge entre 17 et 25 ans avy eo no miakatra dia mihena izany ary ny fanalan_jaza rehefa zokinjokiny izy dia resaka malformation matetika.
Ka hoy aho manao anareo: tsy ny fanalan-jaza no tena olàna satria tokony ho vitsy izy io raha betsaka sy maro ny centre de santé sy ny fanaparitahana ny fanabezana aizana. ankizivavy 17 ans ve dia efa hiteraka anefa izy mbola manana avenir betsaka sy tokony hatrehany aloha?
03/13,2008, at 13:33
Visit ikalakely
ialan-tsiny fa lava be ilay post o!
03/14,2008, at 15:42
Visit tsikisariaka
za vehivavy ary efa ex r'ikalakely. hadinoko ny nilaza fa ankoatra an'ilay daty kay ny fijeena mari-pana isanandro, tena isanandro. Mifanaraka tsara tsy dinganina na ny andro isaina na ny maripana raisina. fa taty afara aho kamo nanao mari-pana dia nanisa andro foana.... hatramin'izao ! marina fa nanao cycle long taloha fa tsy niandry aman-taonany vao fantatra io ! eny e ! ndeha ataoko hoe tsy dia niova na dia long aza ! satria ny fampianaran'ilay dokotera izay, sy ny prof de science dia hoe manao moyenne foana e ! dia maka marge fa tsy mionona amin'ny 14è izany. Ho lava be ity resaka eto amin'ny blaogin'ilay zalahy io ity fa tsy haiko e ! zà tena convaincue ary naharaka tsara no sady ampiako hoe : ireo zanako ireo dia nokaliana tamin'ny resaka fanisana andro ! mielanelana 5 taona avokoa izay ireo (...) dia ireo andro tokony tsy hisy zaza dia hitako tsara koa... mandrak'izao....
Efa lehibe ny vavimatoako izao ikalakely a ! dia izay nataoko no ampianariko azy. Matetika ny ankizy (ny olona mantsy e !) dia tsy mahay manomboka ny fanisana andro ary izay no mahadiso azy.
Zava-dehibe koa ny fahalalana ny vatana fa ny décalage kosa tsy ho une semaine e !
asa anefa ! fa dia izay no hevitro r'ikalakely a ! za matoky an'io méthode nampiasaiko io ary averiko ihany fa vonona ny hampita traikefa. NY TANJONA DIA NY TSY HISIAN'NY FANALAN-JAZA. Rehefa te-hirevy nefa tsy mahay raha aleo tsy manao ! azo sorohina ilay zaza tsy niriana ka !
Bon courage !
03/14,2008, at 15:47
Visit tsikisariaka
Azafady fa sao misy diso fandray hevitra fa "azo sorohina mialoha ny fisian'ilay zaza tsy niriana" fa tsy hoe sorohina izy akory.
Ny hoe resaka zo sa safidy dia tsy misy zo izany fa aleo mieritreritra safidy noho ny antony tsy azo anoharana dia ny fiantraikan'ilay izy amin'ny ain-dehibe fa tsy hoe tsisy vady dia esory fa mamenatr'olona na hoe efa be ny ankizy dia alao !
Raha hisafidy ihany dia aleo mitondra mba hamelona fa tsy hamono eny an-tenantenan-dàlana e !
03/14,2008, at 15:51
Visit tsikisariaka
Farany, ny teniko dia hoe ilay resaka fanafody no tsy sitrako fa ny "parapluie" nge tsy fanafody e ! io indray tsy olana amiko. Rehefa tena sendra ny tsy azo anoharana dia "mampiasà kapôty". Ary tsy heloka sy mahabedy kosa ny momba an'io na dia lazaina fa mampitombo isa ny lava rambo aza. Io tsinona sady miaro amin'ny aretin-dratsy no misoroka ihany koa vohoka tsy niriana.
Am-bava homana, am-po mieritra.
Dia voankazo an'ala re iny e !