Jeu des septs erreurs (aka Tags)
Efa niteny moa hoe hamaly "tag" rehefa miverina ny internet ao an-trano koa dia indro ary holazaiko ny diso tsiambaratelo fito. Ity izany no valin'ny fihantsiana nataon'i ikalamako (mako tato) sy i pitou (échechiste tato) sy izay nanao daka tsy hita maso rehetra.
Averina ihany ny fanazavana ny atao hoe "tag". Inona aloha no atao hoe "tag" izay nivezivezy teto amin'ny blaogy, sy tany @ blaogy hafa koa? Karazana lalao izy ity. Rehefa misy mi-tag (manamarika ianao) dia tsy maintsy milaza tsiambaratelo fito dia avy eo afaka mi-tag olona hafa. Tsy afaka mi-tag raha tsy mamaly an'ilay tag aloha :-)
Maro be ny tsiambarateloko :-) kanefa fito monja moa no angatahinareo ka somary sahirana ihany aho :-). Aleo angamba izay tsiambaratelo tsy ampoizinareo no holazaiko.
1. Haiko kokoa ny zavatra tsy ampianarina ahy. Donto aho angamba fa rehefa ezahina ampidirina ao andohako ny zavatra iray dia vao mainka tsy haiko. Raha izaho anefa no avela hianatra azy manokana dia haiko tsara. Ohatra, lomano, filozofia,
2. Tiako kokoa ny manao asa-tanana fanaon'ny vehivavy noho ny manao asa-tanana fanaon'ny lehilahy. Tiako ny manjaitra noho ny mandrafitra. Tiako ny manasa lamba sy vilia noho ny miasa tany. Efa misy vehivavy nefa ao an-trano ka manjary tsy afaka manao na inona na inona aho.
3. Tiako ny manana zavatra maro, kanefa vitsy na iray ihany no tena ampiasaiko. Ohatra manana kiraro maro aho fa iray na roa ihany no tena ampiasaiko. Manana blaogy maro be @ internet aho kanefa tsy misy idirako sy anoratako akory. Manana vehivavy namana maro be aho... kanefa iray ihany no vadiko.
4. Mbola tsy fantatro foana hatramin'izao hoe ny ahoana no tokony ho fipetraky ny "lunette" amin'ny WC. Eo ambany foana ve sa eo ambony foana. Izany hoe rehefa isaky ny hipetraka ve vao tokony hampidina azy sa rehefa hivalandrano ny lehilahy no tokony hampakatra azy. Misy mantsy ilay hoe "avereno amin'ny toerany ny zavatra rehefa avy ampiasaina"... fa aiza ilay toerany?
5. Olona tena littéraire aho saingy ny zavatra "litteraires" rehetra ianarako tahaka ny manao matematika sy informatika. Ohatra hoe manoratra tononkalo aho fa tsy poeta. Mahazo naoty ambony amin'ny filozofia aho fa tsy filozofa.
6. Mivavaka aho alohan'ny hatory. Efa hatramin'ny mbola kely io no nizarana anay ary tohizako hatramin'izao.
7. Gravy be aho raha hitazona tsiambaratelo. Tsy misy tsiambaratelo lazaina ahy ka voalazako amin'ny olona... matoa mbola voalazako dia tsy tsiambaratelo izay, na tsy notenenina tamiko hoe tsiambaratelo. Tsy nisy tsiambaratelo izany ireo nolazaiko anareo ireo :-)
Wééé.. afaka mi-tag olona amin'izay izany. Ireto ary no olona taguer-ko ka angatahiko hamoaka sécrets fito :
Tosoa: http://my.opera.com/elsifaka/blog/ ... sa efa misy any an-kafa?
Tattum: http://tattum.canalblog.com ... t'es toujours si sérieuse? :-)
tomavana: http://tomavana.wordpress.com ... pour sortir un peu de la météo
03/13,2008, at 19:46
Visit DotMG
2> Fomba hafa ilazana hoe izaho dia lehilahy tsy manao n'inn'inn ao an-trano, ankoatry ny mijery TV sy eo ambody Ordi.
4> Ampiakaro ny lunettes rehefa mamany.
03/13,2008, at 19:55
Visit pitou
weeeeeee, sotsa sefo o :)
03/13,2008, at 20:05
Visit ikalamako
"faly aho satria tonga ianao ilay nandrasako..." hoy Ny Voanio (ny mako-na tagy rehetra da niandry anao aby, lol)
Indroa voa moa ianao ka tagy 14 no nandrasana, kanefa tsy maninona fa omena sursis fa be asa, ndeha manoratra amin'ireo blog maro be misokatra.
4 : ny solomason-kabonè izany dia ambany no tena toerany : manan-tsafidy ny lehilahy na hampakatra aloha dia mampidina mamerina azy amin'ny toerany avy eo, na mipetraka raha midesarza likida amin'izay mihena ny asa.
3 : io izany ilay hoe malahelo aho milaza aminareo fa "tena tsy manana sipa intsony aho fa lasa vadiko ny sipako"...
1 : tsisy mafy tsy laitran'ny donto.
03/13,2008, at 20:08
Visit pissoa
1 - sy 5 - zahay refa miresaka teny ankatso dia hoe tsisy maths tsy vitan'ny donto e, hi hi :-P
hi hi hi ! lol be ilay 2, indrindra moa ilay 3 !
03/13,2008, at 20:25
Visit hery
ikalamako> Fa anga tsy izay mampiasa no tokony mametraka azy fa tsy hoe izay tsy mampiasa no hanala azy. Indrindra le vehivavy mimenomenona rehefa sendra adinon'ny lehilahy ny mampiakatra azy?
03/13,2008, at 20:26
Visit simp
zay d mifampitono tena eto i DotMG sy sefo tssssssss soa ihany fa efa lasa ny 08 Martsa haha
4- Izay mampety azy ngambany io e. Nena ampiakariko ilay "volana kely" satria ranony no tena atao betsaka ao noho ny ventiny :)
Ny tokony ho izy zany dia ra lelah no mandalo dia mampiakatra, refa vevavy dia mampidina :P
03/13,2008, at 22:31
Visit ikalakely
Ela nandrasana koa ny tagin'i hery fa tonga ihany an!
Dia ilay lunette avelao eo rehefa vita ny atao fa tsss...iny ve no hiverenena hojerena kely hoe niakatra sa nidina rehefa lasa ny mavesatra
03/13,2008, at 23:46
Visit jogany
Tag tag (mihitra eran-tany ilay contagion an ! Raha tafiditra koa i To dia aleo homeko cadeau be Hery fa ny assistance efa mi-insister be !
lé 2) efa tonga dia hitako be exactement ....eny ê....c'est ça même
mitovy tsika @ lé 7) efa laza vao varotra daholo ny secrets nareo rehetra....1$ le secrets efa nahazo vola be aho....ben oui....
Bises
03/13,2008, at 23:54
Visit news2dago
faly mahafantatra hery a!
tena mahavariana tokoa izany tsiambaratelo-nao izany!
ie de arabaina ihany koa fa tg ny aterineto ao an-trano tsy hifandom-bera kely ve sa ahn?
03/14,2008, at 01:28
Visit lap
4 : t@ le Bruce tout puissant an'i Jim Carey no mba nahafantarako an'io koa. Mbola galanterie ihany no filozofia ao ambadikany :-P
03/14,2008, at 06:15
Visit Tokinao
Faly mahafantatra tokoa e!
Momba an'le 4> : ka tsy eo ambany ve no tena toerany e! Fa rehefa avy mamany ny lehilahy dia ampiakarina temporairement le izy. @zay tsy sahirana izay hanao maloto ventiny manaraka :-).
Misaotra e!
03/14,2008, at 06:22
Visit ikalamako
ary rôle mihitsy ilay 4 k'ity !!!
03/14,2008, at 20:04
Visit simp
Tokinao,
ka tsy manin na hisahirana aza ze any aoriana any e.
Ra izay manko dia tokony saromana hatr@ le takotra...
Ny tena fika milay aza asiana ressort ilay lunety iny d miakatra wazy rehefa tsisy mipetraka eo amboniny ;-)
03/14,2008, at 20:34
Visit Hery
Simp> ie, io koa no efa nofinofiko indray andro...
Fa misy koa lasa mivadika ny asan'ilay izy. Rehefa any @ ireny vésé public ireny dia ilay mivantana indray no madio kokoa noho ilay misy solomaso... dia izay mipetraka indray no mampakatra tsss.
03/14,2008, at 21:15
Visit Lalasoa
6- & 7- Fahazarana tsara sy mendrika hiderana anao!
03/15,2008, at 01:37
Visit pissoa
Hery sy Simp : any amin'ny WC an'i Barney mandeha - hi hi hi.