Maka hafanana... eto anilanao

Published on 04/03,2008

Na dia vao tsy ela aza aho no taty aminao dia indro indray tonga... Misy itiavako anao manokana mihitsy angamba. Tsy noraisinao avy hatrany tao am-ponao aho fa mbola navezivezinao aloha. Nisafosafo ny sofinao aho tamin'ny vao tonga... dia avy eo ny takolakao. Ny alina aho vao tena namandrosoinao tao am-ponao.  

Mbola hitohy ny tantarantsika fa ny hitako aloha dia mafana mafy aty aminao. Manga foana mantsy ny lanitra. Amin'ny alina aho zara raha mirako-damba. Rehefa aty aminao koa aho dia mba matory aloha... alina aho izao tamin'ny 11 ora alina dia efa natory. Ary tsy tsaroako akory hoe maraina ny andro raha tsy efa nikotaba ry zareo tao ambadika...

Aty aminao aho no mba mihaona amindry papa sy mama. Tazominao aty tsinona ry zareo. Dia rehefa te hijery azy ireo aho dia tsy maintsy mamangy anao. Haharitra elaela eto aminao aho mandrapandehako indray hila ravin'ahitra. Mbola hotantaraiko lavalava eto ihany ity fihaonantsika ity.

Eisy e ry Gasikarako... 


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4551

Leave a Reply

One Response to Maka hafanana... eto anilanao



  1. Visit news2dago

    ary raha mody kely aloa raha tena manina e! lol

    mahereza e



  2. Visit Tsikisariaka

    Raha azoko tsara, raha tsy hoe, mbola trondron'ny Aprily izy ity dia "tonga indray ianao" ka hahita azy ?



  3. Visit Gasikara

    Hadalanao ny te hanalavitra ahy sy ho any amin'ny mangatsiaka any. Izaho moa ho aiza fa eto foana, sady tsy mba afaka mitazona fa, ... rehefa miverina tiako ihany e! Aza adinoina ny fotoana miaraka amin-dry Jentilisa sy ry Elsifaka @ sabotsy maraina @ 10 e!



  4. Visit Hery

    Tsikisariaka> Fa niova ny tel-ko :-)
    0330609542



  5. Visit lehilahytsyresy

    Fa nahoana kosa ise no tsy ampandrosoany tao am-pony raha tsy amin' ny andro alina ? :-) Misy raha ao ... :-)



  6. Visit simp

    hum hum
    Alicia an'i hery :P



  7. Visit pissoa pissoa

    lol !

    Hitondrao bononoka refa miverina e ha ha



  8. Visit Tsikisariaka

    ok Hery, tena hitako ni-bip mihitsy io laharana io omaly hariva fa tsy fantatro ho e iza dia niverenako nantsoina ihany antsasakadiny tao aoriana fa tsy tafiditra aho. Hay ve ! tonga soa izany... mihaona sa... izaho tsy niova laharam-pinday e ! ahoana, OK indray ny KARA sa... lazao izy dia....
    Gasikara ô, aiza ho aiza ao aminao no misy ahy ? toa ao daholo ry zalahy sa izahay tsy anaty kajy ?

    Pissoa > tena marina ve ? ha ha ha ! nisy olona avy any Beer tonga tao an-trano nitondra io voan-dàlana io fa...........



  9. Visit ikalamako ikalamako

    araraoty ny tsy miari-tory dia aza mitaraina loatra hoe mi-s'am fa rehefa miverina aty hono tiany ihany e !
    Tsikisariaka a, efa madiva ho lany ilay voan-dalana farany saingy tsy mahazaka tavoahangy hono i sefo amin'ity voiazy indray mandeha ity ka izay tsy tavoahangy alefaso aby, hahaha (kony moa sefo o?).
    Fa firy andro kay no atao hoe lava ry hery ? ...saingy omaly zoma tato an-trano hita be tena manky anao ilay sorprizy fa soa reosia kah !



  10. Visit DadaRabe

    Tsy ho ela ianao dia ahita azy indray ry Hery ô !
    fa mandra-pahatonga izany aloha dia handefaso arahaba matetika eny i Gasikara é!

    Raha mankany aho
    mandalo any aho
    dia hitondrako ianao..
    hivimbinako ianao..

    sombintsombiny ihany !



  11. Visit sasa torvai...

    Soa ihany fa nisy ny alina...
    nahafahany nandray anao.
    Hararaoty ny maka hafanana avy aminy ary mba omeo ihany ko. Hotrony tsara izy.
    Itondray koba ny aty refa miverina.