Fandalovana eto Mada - Dobla fasy
Misy Face A sy Face B tahaka ny mozika koa ilay fandalovana eto Madagasikara (Efa fantatrareo ve ilay Face B de la musique malgache?)... efa herinandro mahery izay no nahatongavako teto fa ankoatry ny fahafinaretana isankarazany dia misy koa ny Face B
Face A - Milay ilay manao Karaoke ao amin'ilay toerana anakiray ao amin'ny Arcade. Misy mantsy amin'ny toerana hafa horahin'ny olona rehefa sendra mamalana... ka raha sendra ratsiratsy feo toa ahy dia aleo mifidy toerana mangingina.
Face B - Very (mba tsy hilazana hoe nisy nifelaka) omaly ny finday... sy zavatra maromaro. Ilay finday aloha tsy dia olana loatra fa ilay zavatra maromaro tao anatiny no nandreraka be ny nieritreritra azy. Raha misy te hiantso ahy dia tsy mandeha intsony indray ilay numero Celtel farany iny :-(
Face A - Ary tena fanafody tsara mihitsy ny tsindromin'ny tantely... mety hahasolo antibiotika ho an'izay mahazaka azy... tandremo fotsiny sao dia alerzika fa mety hahafaty.
Face B - Maty ny tantely raha vao avy mitsindrona anao :-)
Face A - Be mihitsy ny orana nilatsaka tamin'iny herinandro iny. Hatrany Bira ka hatrany Imamo... asa na hanao ahoana ny eto Iarivo androany hariva...
Face B - Aza mivoaka rehefa avy ny orana... fa dia fotaka. Nisy havandra grama maromaro hono nilatsaka tany Vohipeno.
Na izany na tsy izany dia tena tamana mihitsy kah. Ary ohatrinona marina ny tena vidin'ny THB e? :-)
Ireo ankavanana ireo no atao hoe bononoka dia ilay ankavia Ketapotsy v.2 (Tsy ohatra an'io tsinona ny ketapotsy taloha)

Tsy tafiditra izay sary tiako nampidirina fa milona loatra.
04/12,2008, at 14:06
Visit news2dago
vao herinandro ve nama nareo no tg die efa be kibo @ bine sahady!lol
manakasitraka e!
izay ary alo fa manaova vakansy tsara e!
misy ambony sy ambany foana ny fiainana fa raha tsy izay tsy misy tsirony e! mahereza
04/12,2008, at 15:09
Visit lap
tsangambato any Bira lety e :-)
04/12,2008, at 15:24
Visit pissoa
bononoka leity e :-)
04/12,2008, at 17:04
Visit ikalamako
i sefo leity e ! :-)
04/12,2008, at 17:48
Visit sipagasy
tsy mbola hary nihinana ireo aho kleeh, mba itondray aty moa e!
04/12,2008, at 19:32
Visit simp
mba asivo sary miaraka @ bex ry hery fa manjary tsy afaka manao hoe "Alicia lety e!"
tsy mbola A1.500 ve ny 1 zao?
04/12,2008, at 21:50
Visit maintikely
ndrekaky ô!
tsara ve ilay bononoka sy ilay ketapotsy ?:)
bony vokansy :D
04/12,2008, at 23:30
Visit Tattum
Première supporter an'ny Andalanamusic ka! :) mazava ho azy! :)
Hitondray masoandro e!
04/14,2008, at 08:06
Visit lehilahytsyresy
Tsara kosa izany hoe misy toerana afaka anaovana karaoke izany.
Velon-kira foana izany i Hery mandritra ny vakansy any.
04/24,2008, at 09:42
Visit kdaombaramita
Fa angaha mbola misy ihany ny bononoka klé ? tsy mampanintona ahy izy ireny vao mieritreritra ny fomba nanaovana azy aho, sady ratsy fofona.
Efa voatsindron'ny tantely aho teo anoloan'ny mpivarotra limônady teny Anjoma indray andro !! Asiana lelo hono rehefa tratra, tsy haiko ny effet-ny aloha !
Mihinana citrons + tantely alohan'ny hihira mba ho tsara feo hono.
Ary mba manao ahoana ny voatsindron'ny guêpes ? efa nenjehiny sy tratrany aho fa tsy naninona aloha e, 5 be izao no nanindrona ahy teo ambonin'ny patalohako somary manify !