Nandresy ny antoko havanana?
Vao tapabolana fotsiny aho no tsy teto Italia dia navelandry zareo handresy ny antoko havanana tssss. :-)
Tonga aty amin'ny filan-dravin'ahitra indray izany rehefa nivezivezy tany Madagasikara tany nandritra ny tapabolana be izao (sady mizesta ihany). Nosy be, Mahajanga, Antananarivo, Arivonimamo, Antsirabe no toerana hita. Ialana tsiny Toamasina sy ny mponiny fa tsy ampy ny fotoana :-)
Fa iverenana ity resaka antoko havanana ity. Ny fihetsem-pon'ny olona amin'izao fandresen'ny havanana izao dia mitovy amin'ny fihetsem-pon'ny Frantsay tamin'ny nandresen'i Sarkozy. Efa fantampatatra ihany hoe handresy ry zalahy satria tsinona nihongana ny antoko ankavia, saingy nisy ihany ireo niezaka nanantena.
Ny tena tahotra dia hoe ho rava daholo indray ve ny fanantenana kely nitsilopy tamin'ireo vahiny tsy manana na vao manamboatra taratasy? Ny antoko havia mantsy teo dia nanome fahafahana be dia be mba haha-ara-dalàna ireny olona ireny. "Eo isika mahita izy" hoy ry zareo any Nosy be izay.
04/16,2008, at 09:31
Visit ikalamako
:-) ka toerana ifandimbiasana io sefo a ! tsss ohatran'ny ataon-dry leirony kilalaon-jaza...
Akory atao fa dia miarahaba ireo nahavita taratasy ara-potoana (juste à temps :-P ), dia mannkahery ireo mbola tsy tafa fa ho henjana indray ny lalao eto. Fa toy ny any Eoropa kosa na izany aza e, Afrika Afrika ihany, kland miadana ny eto.
04/16,2008, at 09:33
Visit ikalamako
oups, "tsy toy ny any Eoropa" no tokony ho nosoratana fa azafady
04/16,2008, at 12:46
Visit lehilahytsyresy
" Italia ho an' ny Italianina " izany an. Giravy tokoa izany Ra-Hery
04/16,2008, at 14:48
Visit news2dago
tonga soa indray izany nareo! tss za oa dia gaga @ politikanareo ao italy io mht e! tsy efa teo ihany ve le rangahy io no hiverina eo indray sao dia mba resaka alika kosa zany ry hery!