Serveur Vaovao RVG

Published on 06/11,2008

Mandeha nanomboka androany maraina ny Serveur iray vaovaon'ny RVG. Avo roa heny mihoatra noho ilay teo aloha ny tanjak'io serveur io. Ny RVG moa dia mipetraka anaty serveurs dédiés roa ka ny iray serveur misy ny encodeurs sy ny fitaovana ho an'ny DJ, ny iray kosa misy ny Base sy ny Stream ary ny Serveur Web.

Amin'izao dia efa voafehy tsara ny fifindrafindrana serveur ary voafehy ho ao anatin'ny 30 segondra ny fahatapahana raha be indrindra. Ny mpihaino aza dia tsy mandre fahatapahana akory satria tonga dia mi-basculer ny IP (mampiasa IP fail-over).

Misy fikasana vitsivitsy tiana hatao mandritra io vakansy io (vakansy sisa no fotoana malalaka). Anisan'izany ny fanatsarana ny momba ny fandaharana hira. Hisy koa angamba ny version light-n'ny RVG... Wait and see.


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4904

Leave a Reply

One Response to Serveur Vaovao RVG



  1. Visit news2dago

    za manana vazo mp3 vaovao be sao mba afaka alefa any ho any mpihaino!



  2. Visit Hery

    news2dago> Tena ilaina mihitsy. Raha mbola tsy anananay.
    Misy fika tsotsotra handefasana azy aty ve?



  3. Visit news2dago

    alefa malaika e! sa ahn?
    za mantsy mahazo vazo vaovao foana



  4. Visit kdaombaramita kdaombaramita

    Tairo dailymotion na youtube ry News2dago dia asio invitation dia vita raha tsy tianao ho ren'ny rehetra. Izaho koa mba intéressée !