Ny andro androany? :-)
Published on 06/13,2008
Mahafinaritra ny andro androany ho anay mahery vintana. Teraka tamin'ny vody alakaosy (ie, nojereko tamin'ny alimanaka tamin'izany fotoana izany). Zoma faha 13.
Ny zava-misy androany izany dia:
- Vendredi 13: Raha manao lotto aho dia mahazo... fa zah tsy hanao :-) (C'est vraiment amusant
de croired'avoir un certain pouvoir et de ne pas en profiter :-p) - Saint Antoine de Padou: Tsy miasa ny tapakandro hariva... donc mahita baolina indray (yess).
Saint Antoine de Padou mantsy no mpiaro ity toeram-piasana ity. Dia fety izany androany. - Euro2008 Italie - Roumanie: baolina sy politika. Nisy fotoana taloha resy ny Italiana dia be dia be ny Roumains tsy ara-dalàna noroahina. Mety mbola hitranga?
06/13,2008, at 12:49
Visit ikalamako
oups, kay vendredi 13 androany ?
Fa tsy mitombina io eto Afrika ry hery fa ny eto ny vendredi 17 tsinona no tsy mamely. Donc tsisy effet-ny aminao io na mividy lotto aza ianao.
Ingahy Antonio avy any Padou aza mba miaro ihany dia tapak'andro fotsiny no nomeny ahao fa tsy mba tontolo !
Ary ahiako ho alatsaky ny roumains ry lita fa tonga dia midina be ny battu moral-ndrizalahy, indrindra fa ny rainiboto efa vizan'ny kroata omaly izay, tsimbalivaly ny fiainana...
Aleo tsy mivoaka marina fa sao atamba-drizalahy daholo ny etranz rehetra rehefa resy izy kah, bandy gagy ireo !
06/13,2008, at 13:14
Visit lasopy
Vendredi 13, tsy haiko hoe inn marina niky fiatraikany ho antsika aty dago an; sao mba manaraka fomba -tany e any ampita no manankery izany fa tsy aty
lol
06/13,2008, at 15:16
Visit Lalasoa
Izaho indray tsy mijery baolina raha tsy ilay efa misy mahafaty iny (henoiko ny fitantaran'ny mpanolotra dia rehefa hoe mahafaty dia ralentir no jereko). Tsaroako perte be aho ilay hijanona eo 95 minutes! :-)
06/13,2008, at 17:39
Visit lehilahytsyresy
Arahabaina izany isika nomen'i San Antonio fotoana hijerena baolina fandaka e.
Fahasoavan-dehibe izany.
:-)
06/13,2008, at 19:39
Visit pissoa
Aiza kay no fijerena izany alimanaka izany ?
Fa izaho efa namaky tany ho any hoe ianareo teraka alakaosy anie hono tsy ratsy vintana fa mitondra vitan-dratsy ho an'ny hafa e ! Tssss, ratsy fanahy ! (Raha tsy diso aho dia ao amin'ny Tari-dalana ho enti-manadihady ny fomba sy finoana Malagasy nosoratan'i P A Razafintsalama no misy an'io. Raha tsy diso hoy aho.)
06/13,2008, at 19:58
Visit Hery
Pissoa> nisy diary gasy tamin'ny taona nahaterahako izay mbola voatahirin'i papa sy mamanay dia tao no nahitako azy. Fa tsy mba voatahiriko ilay izy kanefa tokony no-scanner-na mihitsy :-)