Resa-baolina Euro2008 faram-parany

Published on 06/16,2008

Koa satria mety ho raraka ny Italiana dia ity angama no resaka Euro 2008 faram-parany hosoratako. Raha tafakatra tampoka dia mbola hanoratra ihany aho :-)

Ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao dia miandry famindram-po farafahakeliny roa ny Italiana vao tafakatra amin'ny dingana manaraka.

Avy any amin'ny Pays-bas aloha... Naverimberin'ny Italiana matetika mihitsy hoe tokony mba hilalao tsara ry zareo mandritra ny fihaonany amin'i Roumanie rahampitso. Fantatra mantsy fa raha vao resin'i Roumanie fotsiny ry zareo dia miara-mody Italia sy i Frantsa... Manan-jo tsara mihitsy anefa i Hollande mba hampilalao an'ireo mpilalao mpiandry, izany hoe mety tsy dia hahay loatra, satria ny mpilalao tena izy dia tehirizina hiatrehina ny dingan'ny ampahefa-dalana.

Avy amin'i La Frantsa indray... mila mandresy an'i La Frantsa koa i Italia raha te hanana fahafahana be be kokoa ho tafakatra. Ezahina voizina be mihitsy hoe resy ireo tamin'ny Mondial ka tokony ho resy koa amin'ity fihaonana ity.

Fa maniona moa nefa Italia raha tsy tafakatra e? Raha tena nahay dia tsy nila notsotsofina tahaka izao akory... Wait and see


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4924

Leave a Reply

One Response to Resa-baolina Euro2008 faram-parany



  1. Visit simp

    Aleo lesy mba handresy i LaFrantsa fa sao dia mamoy fo i salmo a :lol:



  2. Visit news2dago news2dago

    ho hita eo e! mitovy @ barea koa ny favoazanareo any izany kano! tsotsofina marina kle



  3. Visit vaninna

    Dia malaelo aho milaza @ nao fa raraka la frantsa
    tsy naharaka ny paika a la maffioso nataony Italiana sy ny arbitre
    tetikady hafa kely!



  4. Visit Mitia

    Vaovao aeto a! mahafinaritra ny blaogny nao.
    hita fa manonofy e! ao mifohaza @zay fa nandresy Italie; nareo ve maharaka sa tsia e! tsy hitanareo ngaha ty incompétence-ny mpilalao vaza sy ny entraîneur-ny koa; ny hany farateniny omaly alina rehefa natao interview dia hoe "je demande estelle en mariage" aleha mandeha any ty!!

    http://maman-gasy.mabulle.com/



  5. Visit kdaombaramita kdaombaramita

    Dia mbola tsy mifarana izany ny tantaranao ry Hery ! Ny équipe notohanako no resy ary efa "zahody" omaly. Mampamangy amin'i Materazzi (izao no fanoratr'azy ?)any e !