Euro2008: Mody ny Italiana

Published on 06/23,2008

Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.

Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy?

Vokatr'izany dia namotoka daholo
- Toni dia tsy namokatra mihitsy kanefa izy foana no ezahina ampidirina sy omena baolina. Izao manjary ankahalain'ny mpitia baolina fandaka fotsiny.
- Di Natale tsy manana hery hitifirana penalty izany. Jereo fa mora kely ny daka nataony.
- De Rossi Efa nolazaina hoe misy tsy mety mbola nasaina nandaka penalty ihany.
- i Del Piero tsy nampidirina raha tsy tamin'ny faramparany kanefa hita tamin'ireo lalao fifanintsanana fa manana traikefa
- i Materazzi tsy nanao intsony taty aoriana kanefa izy no mahavoa coup-de-tete kokoa noho i Toni rehefa misy corner

Mangina tanteraka ny tanàna amin'izao (sady efa tafakatra 35° sahady ny hafanana) kanefa hoy aho hoe t@ mondialy 2006 dia nanaiky fa nandresy tamin'ny tirs-au-but ka rariny koa raha manaiky resy amin'ny tirs-au-but tamin'ity indray mitoraka ity.

Toa haverina indray hono i Lippi tsss


Trackback URL

http://blaogy.com/trackback.php?id=4954

Leave a Reply

One Response to Euro2008: Mody ny Italiana



  1. Visit ravatorano ravatorano

    zaho manokana aloha tsy dia naka an'i Italie sy lafrantsa satria hitako fa ireo mpilalao voafantina tamin ireo firenena ireo dia efa somary reradreraka ihany na eo amin'ny ara batana izany na ny ara taona
    Ny ahy dia ry rainiboto no andrandraiko amin'ity fa mbola ho hita eo ny tohiny
    ry zareo akama mlay be barea aza moa dia tsy hahatratra akory ny "faharoa tsara indrindra " amin'ny fifanitsanana amin ny coupe sy can 2010 ho avy izao
    ntssss



  2. Visit news2dago news2dago

    ka mitovy daholo ny fahavoazana e! na lafrantsa na i italia na i oranje na ny barea dia samy sodoka @ ireo mpilalao efa tsy mamely no alahatra hatrany hatrany ezahina foana ajoro kanefa efa hita oe tsy mahavita azy! samy hitsakotsako ny nenina ao aby izy ireo zao kano!



  3. Visit ikalamako ikalamako

    ny ahy rey olona ilay hena lasan'ny saka leoko ihany fa ilay fidingan'ny rambony mihitsy no tena tsy laitrako amin'izy ireto !!! (zah malahelo be an'i Buffon fa tena bandy tena manana fo spĂ´ro be lery iny kah. Eny e, ny mpilalao nampalahelo ahy fa nanao izay vitany - tsy satriny ve handresy - fa ny sipekita no tena tsy reven'ny tsinaiko mainty toa ny hoditro ity mihitsy, lol)



  4. Visit simp

    Somary efa antitra ngamba i Del Piero no antony tsy ampilalaovana azy aloha loatra eee



  5. Visit kdaombaramita kdaombaramita

    Lalaom-pirahalahiana iny ry Hery a : ena tsy mamely ny actions-n'ny andaniny sy ankilany.