Vakansy ihany :-)
Published on 07/25,2008
Manomboka rahampitso aho dia vakansy mandritra ny andro maromaro. Efa tsy andry intsony ny hiravana androany (tsisy mahay teny gasy ato am-piasana). Inona ny vinavina? Hapetrako eto ihany dia hojereko amin'ny septambra rehefa miditra hoe inona no vita :-p
- Mamita sy mamoaka ilay CMS vaovao hiantoka ny fampandehanana ny serasera atsy ho atsy
- Mamita ny fanavaozana sites-n'olona mbola vary mangatsiaka (misy 3 izy ao)
- Mamita ny template-n'ny telomiova.org (oups... fa angaha moa tsy vakansy?)
- Mamita ny Tetikasa 3 vaovao an'ny serasera (Sarintava, Antsary sy Vaovao)
- Manatrika ny Fihaonan'ny Serasera eto Roma
- Mandeha eny amin'ny ranomasina sy eny amin'ny ranotsimasina
- Mijery an'i Batman sy Wanted (mbola tsy hitako foana)
- Hanao bbq matetika (anche da solo)... efa hita ny fika.
- Mandeha amina toerana vitsivitsy eto Italia (Nepi, Calabria)
- ...
07/25,2008, at 13:38
Visit ikalamako
tena hita fa ho vita : manatrika fihaonan'ny namana serasera :-D
fa maninona kosa re
ilay bbq no dia da solo e ? En compagnie ihany ange no mahamanja an'io e ; manja lasa barbe fotsiny fa tsisy cue
ary fa angaha tokoa moa nitohy ilay "hazakazaka vao maraina no-filmé-na iny" (aiza angaha izao iny post iny, lol) no dia hoe ajanona kely fa mba hatory maraina :-P
kiii, mitombo iray indray ny mpandany coca !!! Nefa i angie aza efa miezaka hiala amin'io fomba ratsy io :-P
07/25,2008, at 16:46
Visit DotMG
ilay canal cyberfety ao @ epiknet ihany tazomina ho amin'ny blogathon fa efa paramétré amin'io ny fitaovanay an! Raha sendra miova dia andefaso mail fa mba te hi-chat e!
07/25,2008, at 18:58
Visit pissoa
Vakansy ve izany ? lol
07/25,2008, at 21:40
Visit maintikely
pissoa: ilay fotoana fotsiny no hoe vakansy nefa be atao ihany izy :)
hery:ilay andeha @ toerana tsy vitsy ao italia izao no tena hitako tsara :)). Tsy hadino koa aloha ilay resaka kaly e!
bonnes vacances e
07/26,2008, at 00:00
Visit simp
mampatavy rakoto ny bex a... au moins mampa bekibo :)
bonne vacances eee
07/26,2008, at 09:12
Visit Tokinao
bôn vakansy zany hery e :).