Efa 10 Mahery Tsisy FB... Nefa Tsy Maninona

hery 16 Desambra, 2009 16:11 Serasera.org Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Folo andro mahery aho izay no nanao veloma ny FB (FB sisa no iantsoako an'io loll). Nisy ihany ny namako gaga sy nalahelo :-)... ahoana koa hono izany hoe mafana fo be izany dia avy eo tonga dia miaps'. Ny sasany tsy mino, tsy vitako hono izany. Ny sasany niahiahy, fa nisy inona hono... afera privée sa nanao fika maizina. Fa be dia be koa no tsy niraharaha sy tsy nivakl... soa ihany fa misy ireo :-)

Ho an'ireo izay manontany hoe inona marina no antony dia angamba efa azoazonareo veroka ihany. Handany andro ao amin'ny serasera indray aho manomboka izao. Koa vita eto izany ny resaka FB eto amin'ny blaogiko.


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)