« | »

Aleo inona?

2011-10-31 @ 19:58 in Politika

aleo inona?

Halloween hono ny azy ny fety rahampitso. Ity no fety vazaha faran'izay tsy tiako indrindra. Tsy mba mamolavola amin'ny zavatra mahafinaritra fa amin'ny zavatra mampatahotra. Tsy azoko mihitsy ny anton'ilay manao arotava mampatahotra isan-karazany, vampira, angatra, matoatoa, faty mitsangana sns. Izany ve tsy mamelombelna ny toetra minomino foana?

Tsy aleo, rehefa samy hankalaza ihany mba mankalaza zavatra mahafinaritra saina? Tsy aleo zavatra tsy mampanofy ratsy? Tsy aleo fety mazava toa izay sangisangy amin'ny maizimaizina mampatahotra? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Ao amin'ny tetiandro katolika dia fetin'ny olomasina rehetra rahampitso. Tsy hoe ny olomasina no mila an'izany satria efa kilalaka non-stop any an-danitra any. Fa ho an'ny Katolika dia hampatsiahy ilay fiombonam-ben'ny olomasina (communion des saints) izay ao anatin'ny foto-pinoana. Fanamafisana ny fisian'ny fiainana ho avy izay karakarain'Andriamanitra ho an'ny olona.

Io ihany koa no fotoana hanateran'ny olona voninkazo ho an'ireo havany nodimandry. Fandinihan-tena, fieritreretana ao anaty fahanginana. Tsy aleo izany? Sa aleo inona? Aleo inona? Halloween?

Filaharam-be noho izany teto Roma hijery an'ilay Twighlight fahatelo (?). Na ilay voalohany aza tsy mbola hitako. Tsy manintona ahy. Harry Potter mba tiako ihsny satria resa-jaza, fa ilay Twighlight tsy mety voajeriko mihitsy. Misy boky anefa ao an-trano. Tsy aleoko mijery Shrek 1-2-3? Na ny toa ireny? Sa aleo inona? Halloween?

Inviato con Windows Mobile´┐Ż.

Hevitra

za tia vampira vampira
fa zany hoe tsy tia twilight koa
malaza @ tsisy dikany le izy...

sinon, ny aleo inona ngamba resaka koltora no tena marina ee, refa tsy mahazatra anao dia lasa otran'ny tsy mety wazy fa refa zatra dia lasa mahita fun wazy... ny an'ny olona aza moa mamonjy foira mihintsy hijery horera sy zavatra mampatahotra koa aiza ary :-)

Nampidirin'i simp @ 11:52, 2011-11-01 [Valio]

hevitra

Nahoana ary ary mba fety malagasy tokoa no indraindraina fa any dago zao d efa manomboka manao an io koa. Lazaina fa manompo sampy koa moa ra vo manao fety gasy nefa refa fety vazah tsy misy manakiana

Nampidirin'i Olona @ 23:56, 2012-03-19 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2015 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Rohy
  • Blogroll
Tahiry